Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 23h50
 

Répondre à un commentaire

15 avril 2019 à 09:06 | lysnorine (#9752)

Re : kozobe 13 avril 2019 à 23:27 répond à Behantra

« Par la même occasion, Raketamanga, fille de Radama 1er, qui devait épouser le prince Rakotobe et détenir véritablement les rênes du pouvoir selon la volonté de son père, a été mise sur la touche »

- RAZANAKINIMANJAKA na RAKETAKA dia zanak’i Radama 1 tamin’ny princesse Sakalava RASALIMO, izay, araka ny resak’i Radama 1 matetika, dia hampivadina amin’ny printsy RAKOTOBE, zana-dRABODOSAHONDRA anabaviny sy ny printsy RATEFINANAHARY, dia HANDIMBY azy. Vao telo ambin’ny folo taona (13) ny printsy Rakotobe tamin’ny nampamonoan’ Imavo azy, ary efa-taona (4) teo ho eo ny princesse Raketaka tamin’ny nahafatesan-drainy.

Ny princesse Rasalimo dia zanak’i RAMITRAHO, andrian-tSakalava teo Andrefana-Avaratra teo Boina. I Ramitraho dia zanak’Andriantsoanarivo sy RABODO RATSIVINDA.

I Rabodo Ratsivinda dia zanak’i RATSIVINDA avy ao AMBOHIJANAKA (somary Atsinanan’ALASORA) ary NANAMBADY an-dRAMASOANDRO MPANJAKA tany amin’ny SAKALAVA ANDREFANA.

ANDRIANAVALONA avy eo AMBOHITRANDRIAMANITRA, Atsinanan’AMBOHIJANAKA, no RAIN-dRATSIVINDA, izany hoe : ZAFIAFIN’io Andrianavalona avy ao Ambohitrandriamanitra-Ambohijanaka io izany RAMITRAHO rain’ny princesse RASALIMO.

Hoy koa ny « Tantara ny Andriana eto Madagasikara », Tome II

« Ny nihavian’ny Andriana Sakalava tamin’ny voalohany indrindra. ».

« Dia tao AMBOHIJANAKA ATSIMO , somary Atsinan’Alasora, no nihavian’ny razan’ny mpanjaka Sakalava tao aloha. Ny ady amin’ny fahavalo, ny ady an-trano, sy ny fialonany, samy izy andriana iray tam-po, hono, nampihahaka azy toy izao ; ny sasany dia nianavaratra, ny sasany nianatsimo, ary ny sasany nijanona teo andrefana niangonan’izy rehetra tamin’ny voalohany ; fa nony niala teo, « ladim-boatavo ny olombelona, iray ny fotony kanefa maro ny sampany. » (p. 1084).

« Ary nony vao tonga Rasalimo, dia napetrany tao RAHARIHASINA anaty rova atsimon’ny kianja...Ary dia nampiana sy novàna tsara BEVATO, (ny vato manodidina ny trano, betsaka tsara no ao, ary ny hidirana ao an-trano natao vato lehibe vato pehina ; dia natao TRANOVOLA), dia nametrahana an-dRasalimo » (pp. 1085, 1086).

Farany, hoy ny Rev. ELLIS, hoe na dia roa ambin’ny folo aza ny vadin-dRadama 1, tokany ihany tamin’izy ireo no noraisina ho « mpanjakavavy », dia RASALIMO izay notandrovin-dRanavalomanjaka fatratra :

« Although nominally the domestic establishment of Radama included twelve queens, he had but ONE WIFE WHO WAS RECOGNIZED AS THE QUEEN ; this was RASALIMO , the daughter of the king of the Sakalavas. Rasalimo still lives at the capital, and RECEIVES CONSIDERABLE ATTENTION FROM RANAVALONA who assumed the sovereignty. Rasalimo is the mother of Raketaka, Radama’s only surviving child, a daughter now about fourteen years of age ».
Ellis, vol2., History of Madagascar ,1838, p 399.

,

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS