Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h34
 

Répondre à un commentaire

12 avril 2019 à 23:38 | Vohitra (#7654)

Amin ny fanetrentena no hiezahana hanolorana ny sosokevitra sy izay kely mba heverina hahafahana mampiorim-paka ny fanajana ny lasa sy hanomezan-kasina ny soa notoavina.

Ny tantara dia mametraka ho lova ireo rafitra sy tantana ary sokajy nodiavin ny fiarahamonina ka tarafina amin ny alalan ny riba sy vakoka ary fomba voatahiry sy nifampitana.

Mamaritra ny fomba fijery sy fandinihina izany indraindray, ary matetika dia ireo lova voafaritra ireo no vavolombelona mitahiry sy mampiseho ny kolontsaina entina manondro ny vondrona sy fiarahamonina iray.

Rehefa haneho fanabeazamboa ny tantara isika, iangaviana antanandroa, miala salohy fito re, avelao mba hiorina amin ny fomba nentindrazana nasongadin ny riba sy kolohay.

Raha mikasa ny haneho ny tsiahy napetraky ny lasa ka voarakitry ny tantara ianao, hajao ary ny fomba nanandanja tamin ny vanimpotoana tiana hotsaivina, ary aza mampibirioka ny tantara any amin ny dia izay tsy nodiaviny akory.

Sarotra tokoa ny hanaovana tamberina ikalamanjana ary ampahibemaso ny fomba sy fanao ary ny fihetsika fanaja teo ampanorenana ny Rova, indrindra fa i Ialamanga.

Ahoana no hanehoana ny tantara antsehatra teo ampanorenana fahizay raha tsy eo ny Antehiroka sy ireo taranaky ny Zanakandriana sy ny Andrianteloray ?

Azafady, miala fondro, aza misavika sy misintona ambovoka ny Hasina izay natolotra sy voatolotra.

Tandremo fa ny tsiny no azonao ialana sy iolahana, fa ny tody tsy maintsy hanaradia hanoto anao misavika io.

Azo natao tsara ny nametraka amin ny toerany ireo Raiamandreny sy zoky tomponkasina amin ny toerany, ary afaka mifanindrandalana tsara amin ny fenitra repobilikanina izay tokony nosoloinao tena izany.

Tsy ho azonao antolobotsotra amin ny eboebo sy seho miampy rindrandamina velively akory ny Hasina nifandrorizan ny taranaka nifandimby.

Ny mpifidy amin ny tany repobilikanina no azo fitahana, fa tsy ny tantara ho lovain ny fara sy dimby.

Ho an i Pisokely sy Boaikely !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS