Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Répondre à un commentaire

13 avril 2019 à 08:14 | lysnorine (#9752)

« Banque mondiale »
« La croissance de l’économie malgache est restée forte en 2018, affichant un taux de 5,2% et se situant au-dessus de la moyenne régionale et mondiale ».

Tsy misy heviny firy izany hoe nitombo toy izao sy izao isan-jatony tamin’ny taona iray ny tokantranom-pirenena (« économie nationale »). Tsy voalaza koa na PIB (Produit intérieur brut- na ny ankevitry ny vokatry ny famokarana sy ny asa aman-draharaha REHETRA teto Madagasikara nandritra ny taona iray) na PNB (Produit national brut, na ny ankevitry ny vokatry ny famokarana sy ny asa aman-draharaha notontosain’ny tompon-tany MALAGASY fotsiny) no tondroin’ilay tarehi-marika hoe 5.2 %.

Ny tena misy dikany ka tsara hampahafantarina ny be sy ny maro, araka ny fihevitray, dia ny valin’ireto fanontaniana vitsivitsy manaraka ireto :

1) INONA marina moa no tena NITOMBO tao anatin’ny tokantranom-pirenena ka azo tsapain-tanana sy hita maso nandritra ilay taon-dasa ?

MAHATSIKAIKY ihany aloha ny hampitahaina izany fitomboana isan-jatony izany amin’ny an’ ny hafa misy eran-tany raha alaina ara-keviny satria ohatra :

Ny 1.5 % nitomboan’ny PIB-n’i Frantsa tamin’ny taona 2018 izay mitentina ho sahabo US$ 38,737,519,650 dia tsy azo oharina velively amin’ilay 5.2 % nitomboan’ny PIB-n’i Madagasikara tamin’ny 2018 na US$ 597,989,600 (= 1.54 %-n’ilay nitomboan’ny PIB-n’i Frantsa izany).

2) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony moa ny FANAFARANA VARY tany an-dafy tamin’ny taona 2018 ? ary OHATRINONA ny VOLAM-PANJAKANA lany mba hampihenana ny vidy hivarotan’ny mpivarotra azy na « subvention des prix » ? Nitombo sa nihena io « subvention » io na ny vidim-bary eny an-tsena ?

3) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny MPONINA TSY AMPY SAKAFO MAHAVELONA azy ara-dalàna tamin’ny taona 2018 ?

4) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny vola NOSAMBORINA tany ivelany na nangatahana fanampiana maimaim-poana tamin’izy ireo mba hamenoana ny BANGA tsy tapaka eo amin’fidiram-bolan’ny Fanjakana ka ahazoany mampandeha ny RAHARAHAM-PANJAKANA ANDAVANANDRO ?

5) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny VOLA VAHINY lany tamin’ny FIVEZIVEZEN’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanao fanjakana ambony TANY IVELANY ?

6) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny VOLA VAHINY mivoaka ISAM-BOLANA handoavana ny ZANA-BOLA (na ny renivola isan-taona) hanefana ny TROSAM-PANJAKANA ?

7) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny TROSA anànan’ny ANY IVELANY amin’ny Fanjakana Malagasy ?

8) NITOMBO [sa nihena] OHATRINONA isan-jatony ny TROSA anànan’ny ETO AN-TOERANA amin’ny Fanjakana Malagasy ? HOATRINONA no tontalin’ny nivoaka tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana nanefana io trosa io ? NITOMBO sa NIHENA ?

9) NITOMBO OHATRINONA isan-jatony ny KARAMAN’ ny mpikarama madinika sy antonintoniny amin’ny Fanjakana nandritra ny taon-dasa ?

10) NITOMBO OHATRINONA isan-jatony ny KARAMAN’ ny mpikarama madinika sy antonintoniny amin’ny orinasa tsy miankina amin’ny Fanjakana, indrindra ireo ao anatin’ny faritra afa-kaba, nandritra ny taon-dasa ?

11) NITOMBO OHATRINONA isan-jatony ny KARAMA faran’izay KELY INDRINDRA tsy maintsy hanaramana ny mpikarama ?

12) NITOMBO [sa nihena] ary firy isan-jatony ny isan’ny MARARY nalefa nitsabo tena any an-dafy ary ohatrinona no VOLAM-PANJAKANA lany tamin’izany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS