Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 05h42
 

Répondre à un commentaire

28 mars 2019 à 08:36 | lysnorine (#9752)

Re : rayyol 27 mars [2019] à 17:54 répond à plus qu’hier et moins que demain ^

« C est bizarre ce que ce gouvernement fait en a peine 2 mois .
Est ce que par hazard le travail aurait été fait d avance et que celui ci ne fait qu en prendre le mérite »

Efa tamin’ny taona 2015 no nasain’ny BM neken’ Ingahy Rajaonarimampianina sy ny governemantany ny tetik’asa mirakitra ity hoe « projet de filets et de sécurité sociaux » (FSS) ity na « Madagascar Social Safety Net Project » (SSNP). Izany hoe tetik’asa novolavolain’ny BM izany fa TSY NY MINISTERA tokony hiandraikitra izany tao amin’ny GOVERNEMANTA MALAGASY akory.

Karazan’itony nantsoinay matetika hoe tetik’asa omanin’ny « mpampisambo-bola » avy any ivelany ka azo oharina amin’ilay antsoin’ny ohabolana hoe « Hanina omen’andevolahy : tsy tian-kano, tian-kano ». Izany hoe na mifanandrify na tsy mifanandrify amin’ny voalohan-javatra tena ilain’ny sarambabem-bahoaka sy ny tokantranom-pirenena (« économie nationale »), na toa inona na toa inona no mety ho vokany arak’izay azo hitsinjovana azy mialoha, dia tsy maintsy soratan’ny Governemanta ho an’isan’ny « pôlitikany ».

Satria moa na oviana na oviana na taiza na taiza eran-any, dia TSY MISY TOKOA IZANY HOE HANINA OME-MAIMAIM-POANA izany arak’ilay fitenin’ ny mpiteny angilisy hoe : « there’s no such thing as a free lunch », dia mijaridina avy hatrany angamba eto ny fanontaniana hoe : Inona kosa aza no TENA AO AMBADIKY ny « fampisamboram-bola » mora sy « fanomezana » avy amin’ny BM/AID ?

Eo am-panamasahana valin’izany fanontaniana izany, dia tonga tao an-tsainay izao fivoasana izao, naroson-dRatoa Éliane NAIKA, senatera taloha, efa tamin’ny FITO TAONA LASA, mikasika ny malaso any Atsimo amin’ny ankapobeny, ny fananany fitaovam-piadiana mahery vaika, ny tsi-fandavoan’ny herim-panjakana azy ireo, koa afaka manao ny danin’ny kibony efa nandritra ny taona maro izay :

« Vivement une enquête indépendante et approfondie pour faire la lumière »
mercredi 19 septembre 2012, http://elianenaika.blogspot.ca/

« Des personnes natives de cette région, notamment l’ancien chef de district de BETROKA Paolo Emilio Raholinarivo Solonavalona soutiennent ...qu’une ÉPURATION ETHNIQUE EST EN TRAIN DE SE FAIRE DANS CETTE PARTIE DE L’ÎLE ...

« il est maintenant établi que ces dahalo ont BÉNÉFICIÉ D’UN FINANCEMENT CONSÉQUENT et sont maintenant ÉQUIPÉS D’ARMES DE GUERRE, donc étant donné la taille du marché, ce serait étonnant que ce soit du simple vol de zébu, il est donc nécessaire de faire une petite ANALYSE DES ATTRACTIVITÉS ÉCONOMIQUES DE LA RÉGION, assez conséquent pour financer une armada...

« CONTRAIREMENT AUX IDÉES REÇUES SUR CET ENDROIT LE PERCEVANT PLUTÔT COMME LE « DEEP SOUTH » profond où les Dahalo règnent en toute impunité et complètement enclavée, cette région dispose d’une très BONNE INFRASTRUCTURE, notamment les routes où des CENTAINES de 4X4 APPARTENANT aux ONG et SOCIÉTÉS SILLONNENT TOUS LES JOURS, Radio, téléphone satellite, GPS sophistiqués, Andranondambo, Antirimena, Maromby, Esiran,Tranomaro, Tsivory, Marotsiraka, Ebelo, Mahaly sont accessibles par route, et un AÉRODROME se trouve même sur le site de MAROMBY.

« Il y a des CAPITAUX QUI CIRCULENT et les ATTRACTIONS ÉCONOMIQUES ne manquent pas, c’est d’une NAÏVETÉ de CROIRE que l’ENJEU RÉEL est EXCLUSIVEMENT dans le TRAFIC DE ZÉBU, malgré que c’est une tradition ancestrale.

Et on ne dispose pas d’un ARSENAL MLITAIRE juste par le vol de quelques boeufs, il faut de l’argent, mais surtout un VASTE RÉSEAU ».
Rehefa atambatra izany rehetra izany, dia tsapa fa misy fikendrena ny HAHALAO MONINA ny mponina amin’ny toerana BE HARENA azo tsihin’ny mpihaza tombon-karena sy tombom-barotra (avy any IVELANY izany, na « investisseurs étrangers »). Lasa MPITSOA-PONENANA VOATERY MIFINDRA MONINA IZANY IREO MPONINA LAO MONINA IREO. Koa eto, araka ny fivoasanay, ny hidiran’ny « fampisamboram-bola » sy « fanomezana » ataon’ny BM [sy ny namany] : ny tombon-tsoa ho an’ ny « investisseurs étrangers » - na ny efa eto an-toerana na ny mikasa hiditra - no tena kendreny amin’ny FANAMBATAMBAZANA ireo mpitsoa-ponenana sy very tanindrazana ireo - indrindra ny vehivavy ! - amin’ilay tetik’asany hoe : « Madagascar Social Safety Net Project » (SSNP) na « projet de filets sociaux de sécurité » (FSS). Sao MIKOMY izy ireo ka hanembantsembana ny fihinan’ny « investisseurs » . Fitsimbinana tombon-tsoa ho an’ireo « investisseurs étrangers » ireo ihany koa no antony hampisamboran’ny BM vola ny Fanjakana Malagasy hanaovany INFRASTRUCTURES vaovao IZAY ILAINY ka hanamaivana ny holaniany.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS