Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 19h01
 

Répondre à un commentaire

16 mars 2019 à 21:46 | lysnorine (#9752)

Re : betoko 16 mars (2019) à 11:07
« Savez vous que ceux sont ces coopérants français qui étaient les INSTIGATEURS des événements de 1972 en MANIPULANT les étudiants à Tana ?

1) Ny antsoinao hoe « INSTIGATEURS » sy « MANIPULATEURS » dia voalohany indrindra Ny ZEZOITA nanodidina ny gazety « LUMIÈRE » sy « LAKROA » tany FIANARANTSOA teo ambany fitarihan’Itpkl. mompera Rémi RALIBERA, izay nanenjika foana ny fitondran’Itpkl TSIRANANA : ny antony dia noho izy CGT-KÔMONISTA tamin’ireny 1946 ireny, ary ireo moa no nandefa azy handranto fianarana tany Frantsa : efa nisy lahatsoratra navoakan’ny gazety-boky katôlika « Missi (dominici) » momba izany fahizay. Efa niseho matetika teto ihany moa fa Itpkl Rémi RALIBERA dia zanaka an-tranon’ilay fianakaviana Frantsay KATÔLIKA BE - DARDE- akaiky dia akaiky an’i Giscard d’ESTAING, tahaka an’Ingahy Didier RATSIRAKA. Tamin’ireny fotoana ireny moa dia efa hatry ny ela no niomanan’i Giscard d’Estaing ho prezidàn’i Frantsa, ary angamba efa fantatr’izy sy ny tariny fa voan’ny cancer ny prezidà Georges POMPIDOU ka tsy haharitra ela.

Singanina manokana ny famporisihana ny mpianatra « madinika » tamin’ny sekoly katôlika nakatona hidina sy hilahatra eny an-dalambe.

Etsy an-daniny koa nisy ny gazety protestanta « FANASINA » izay nakatona taorian’ny 1972. Nalefa nanatevin-daharana koa ny « gasin’an-dafy » (Ambaniandro) nitonona hoa mpiandany amin’ny hery faran’izay amin’ny « ankavia » (« gauchiste) sy/na « maoïste) na dia ny nantsoin’Itpkl Manandafy hoe « GASY AMBONY » aza no fianakaviana nisy azy ireo ary tsara toerana teo amin’ny fitondrana PSD.

Marihina fa taty aoriana vao « nijapy train » Itpkl. pasitera Andriamanjato izay nanambara ampahibemaso talohan’ny fisamborana an’Itpkl André Resampa, tamin’ny1 Jona 1971, fa MIOMBON-KEVITRA VALOPOLO-ISAN-JATONY aminy sy ny PSD ny tenany. Torak’izany koa, araka ny tsiambaratelo navoaka-na ministra iray, dia ny rahalahiny am-panambadiana - Itpkl. RAMAROSAONA Émile, - ministra niara-nivory taminy -, no nampirisika an’Itpkl JOHASY Barthélémy, ministry ny Atitany hoe : « Inona no andrasan’ialahy fa tsy alefa ny FRS » handrava ireo fihesketsehan’ny mpianatra ireo ?

[Itpkl. TSIEBO Calvin, vice-président no nitarika ilay fivorian’ny ministra, fa Itpkl. Tsiranana niala sasatra efa ela ela ihany tany Ranomafana noho ny tsi-fahasalamany. Itpkl RABEMANANJARA Jacques, vice-prezident koa, ministry ny Raharaham-bahiny, dia tsy teto an-toerana koa, fa efa elaela ihany no tany ivelany (Santiago, Chili) nanatrika ny fivoriana ny hoe CNUCED FAHA-3 - 3e Conférence des Nations-Unies sur le Commerce et le Développement nisokatra tamin’ny 13 Aprily 1972 ka nifarana tamin’ny 14 Mey].

2) Ny « coopérants français » [avy amin’ny « hery ankavia » : gauchistes ? Maoïstes ?] angamba no tondroinao amin’izany , dia ireo nifandray tamin’Itpkl. RAVOAJANAHARY Charles, mpampianatra Tantara tao amin’ny Lycée Jules Ferry faha-fanjanahan-tany, nanambady vehivavy Frantsay kômonista fahizay, sy ny AVARA-PIANARANA na « intellectuels » Malagasy, nandeha nanodidina an’Itpkl. Monja Jaona sy ny MONIMA nony vaky bantsilana ny tsi-fahasalaman’Itpkl Tsiranana tamin’ny 1966. Namporisihin’izy ireo Itpkl. Monja Jaona hitongilana amin’ny MODY HOE firehin-keviny (Maoïsme ets., ets.) sy hanainga ny mponina tany Atsimo izay « vesaran’ »ny hetra isan-dahy tahaka ny lehilahy rehetra ihany hioko sy hanafika ny tobin’ny Zandary tamin’ny Aprily 1971. Antitranterina fa :
(i) tsy mba nampisambotra an’Itpkl Ravoajanahary Itpkl Tsiranana fa nalefany nivoaka nankany Frantsa izy, izay nandray azy ho mpampianatra tao amin’ny Université de VINCENNES. Mpinamana Itpkl Tsiranana sy Itpkl. Ravoajanahary fony ry zareo mpianatra tany Frantsa.

(ii) Manarak’izany, TSY AZO INOANA mihitsy na kely aza fa tsy nahafantatra MIALOHA ny fihetsiketsehana sy fiokoana, nasaina nomanin’Itpkl. Moja Jaona ny Misiona Kristianina niasa tany Atsimo : Katôlika, Prôtestanta, Loteranina (AMERIKANINA).

(iii) VOAFITAKY ny mody hoe « MAOISME » tompon’ireo « avara-pianarana » Malagasy ireo ihany koa ny Governemanta Kômonista Sinoa raha voataona nanohana azy ireo KELY.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS