Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Répondre à un commentaire

16 mars 2019 à 10:21 | Vohitra (#7654)

Ny taona 1989 no tafiditra voalohany tao amin ny Antenimierampirenena Entimbahoaka fahizay ny solimbavambahoaka mpanohitra voalohany taorian ny fiverenan ny fahaleovantena Malagasy. Avy ao amin ny antoko MFM avokoa izy telolahy ireto dia :

- Rakotonirainy Germain
- Razafindrakoto Jules
- Andriamihaja Solonavalona

Ny taona 1986 ny antoko MFM no nanomboka nilaza fa diso lalana ny revolisiona sosialisita notsrihin i Didier Rstsiraka, Manandafy tamin izany 1986 izany mbola mpanolotsaina faratampon ny tolompiavotana, i Lynx no nitarika ny fanoherana fahizay, nanampy azy tao i Raveloson Constant, ny fitodihana any amin ny fanalalahana ara-toekarena sy ny fitakiana ny fahalalahana ara-politika ary ny fanehoana ny zo sy sata fototra isambatan olona no fotokevidehibe nanetsika.

Tsy mora ny fanehoankevitra fahizay, mafy sy henjana ny famoretana avy amin ny antoko AREMA teo amin ny fitondrana.

Nanomboka tamin izany vanimpotoana izany no nanorenana ny ho avin ny toekarena misokatra amin ny fampiadambola tsy miankina : i Manandafy Rakotonirina sy i Rakotovao Razakaboana no nanampy ary nanosika sy nanohana mafy mba hivelaran ny famokarana sy varotra ataon ny mpandraharaha Malagasy iray dia i Ravalomanana Marc sy ny orinasa Tiko.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS