Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h13
 

Répondre à un commentaire

8 mars 2019 à 00:23 | lysnorine (#9752)

Re betoko 7 mars à 10:04 répond à vazaha ^

« A propos de l’Université d’Ankatso ,est ce c’est aussi l’Université Charles De Gaulle ,car sur TVM la semaine dernière la journaliste disait que feu Ruffine Tsiranana avait fait ses études universitaires à l’Université Charles De Gaulle dont je n’ai jamais entendu parler
A noter que le site où est bâti l’Université d’Ankatso appartient à la fondation Charles De Gaulle ,à moins que cela a changé de nom depuis la deuxième république »

Oniversite FRANTSAY natao hoe Charles de Gaulle i Ankatso. Itpkl. Tsiranana no nangataka MANOKANA tamin’ny jeneraly de Gaulle ny mba hananganan’i Frantsa oniversite FRANTSAY koa eto Madagasikara izay tsy tao anatin’ny prôgrama frantsay velively. Noho ny nanànan’ny jeneraly de Gaulle fanajana manokana an’Itpkl. Tsiranana, dia nobaikony ny governemanta Frantsay hanangana oniversité aty Madagasikara koa (hasolo ny natao hoe Fondation de l’Enseignement Supérieur, izay manome diplaoma Frantsay ), fa tsy any Afrika irery ihany, izay hany tao anatin’ny prôgraman’ny « Coopération ». Dia natsangana i Ankatso sy ny cité universitaire ary ny « autoroute » miainga avy etsy amin’ny Route Circulaire, sns. Nanaraka avy eo ny nanamboarany Cité ipetrahan’ny mpampianatra Frantsay.
Antitranterina tsara fa (1) mpampianatra manana ny mari-pahaizana takin’ny Oniversité any Frantsa ireo mpampianatra ireo, ary (2) nandray anjara KELY ihany ny Governemanta Malagasy tamin’ny fampandehanana ny oniversité. Tsy takona afenina, ary nampalahelo fa tsy vitsy ny Malagasy nialonalona azy ireo izay matoa tsy nahazo toerana tahaka ireo mpampianatra Frantsay ireo dia NOHO NY MBOLA TSY FAHAMPIAN’NY DIPLAOMANY. Tsy niankina velively tamin’ny Governemanta malagasy izany satria ONIVERSITE FRANTSAY izy io ary VOLA FRANTSAY no handoavana azy ireo [hatramin’ny Malagasy tsy mpampianatra nampiasainy].

Koa nohararaotin-dRaMalagasy, tamin’ireny 1972 ireny, ny nandovàna ny toerana sy ny tombon-tsoa nananan’ny ankabezan’ireo mpampianatra Frantsay ireo avy amin’ny Governemantany. Kanefa fantatra fa TSY MAHATAKATRA izany velively ny Volam-panjakana Malagasy. Nahafantatra vitsivitsy tamin’ireo Malagasy ireo izahay.

Singaninay eto fa nisy nalaza na lasa nalaza ny Frantsay nampianatra tamin’io Oniversité Charles de Gaulle io, ary anisan’ny mbola velona ankehitriny i Philippe HUGON, mpampianatra Ekônômia.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS