Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Répondre à un commentaire

6 mars 2019 à 08:11 | lysnorine (#9752)

@ Isandra 5 mars 2019 à 20:24 répond à Jacques ^ : Ny fisintahana amin’ny mpampanjana-bola avy any ivelany
« Jacques,
« Je ne sais pas si vous avez suivi le débat, pendant lequel Rajoelina a dit nous pourrions nous passer des financements des bailleurs, « mety ho tsy hiankina amin’ny famantsiam-bola avy any ivelany intsony isika ».. Ici, ses phrases sont sous forme d’un objectif, mais, non pas une décision, ni opinion. »

Araka ny efa nambaranay teto ihany, sady tsy namaky ny « IEM » izahay (afa-tsy pejy voalohany vitsivitsy sy ny pejy nasongadin’ny mpandray anjara sasany teto) no tsy nanaraka ny ady hevitry nataon’ny kandidà mpifaninana ho prezidà tamin’ny TV. Koa tsy hainay izay tena naloaky ny vavan’Ingahy Rajoelina fa miombon-kevitra tanteraka izahay amin’ny hoe azo atao - ary tokony hatao mihitsy - ny miala amin’ny fananàna vola amin’ny any ivelany raha ny fanavotana sy ny fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka Malagasy no katsahana. Tsy miombon-kevitra kosa izahay amin’ny hoe mbola « zava-kendrena » izany na ny fandavan’i « vazaha » (5 mars 2019 à 20:37) ny fampiharana izany izao dia izao :
« Je ne suis pas pour le retrait immédiat et brutal des bailleurs de fonds traditionnels comme Bretton Woods et UE ».
Tsy takona afenina fa TAKIN’izany fialana avy hatrany izany ny fanatanterahana MIALOHA FARAFARA maromaro izay ilaina mpitondra sy mpanao fanjakana tsy mataho-bazaha na miforiporitra aminy sy ny saribakoliny eto an-toerana, mahery fo, tena miaro ny ho avin’ny tombon-tsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Efa betsaka ihany ny tsipi-teny nataonay teto momba izany tahaka izao :

- ny FITSITSIANA sy ny TSI-FANDANILANIAM-POANA
ohatra :
.lysnorine 25 novembre 2016 à 08:55, 09:20, 09:43, 21:40 - répond à Gérard ao amin’ny « Les députés forcent l’inscription des 4X4 dans la loi des finances 2017 », jeudi 24 novembre 2016, https://www.madagascar-tribune.com/Les-deputes-forcent-l-inscription-des-4X4-dans-la-loi-des-finances-2017#comment326843 ;]

- ny Famerenana amin’ny fanjakana ny « FAHANDRIANANY eo amin’ny fitantanana ny famoronam-bola » (SOUVERAINETÉ MONÉTAIRE ) : « Reprendre le contrôle de la création monétaire »,

i) lysnorine 22 novembre 2016 à 08:16 répond à Jipo ao amin’ny « Le Roi Mohammed VI en visite d’Etat-Liens historiques forts, renouveau de la coopération » lundi 21 novembre 2016, https://www.madagascar-tribune.com/Liens-historiques-forts-renouveau,22684.html#comment326638

« averina amin’ny fanjakana tanteraka ny FIFEHEZANA ny FAMORONANA ny VOLA ISAN-KARAZANY REHETRA hampiasaina ato anatin’ny tokantranom-pirenena malagasy.

« Izany no tena tokony ho ZOKIN-DRAHARAHA lehibe indrindra amin’izay mpitondra fanjakana sy izay tena mpanao pôlitika ary fanahy ka mikatsaka marina ny hanarenana ny tokantranom-pirenena malagasy iray manontolo. Ambaran’izany avy hatrany ny FANDRAVANA TANTERAKA - miaraka daholo ! - ny RAFITRA REHETRA misy ankehitriny eo amin’ny ny FITANTANANA ny VOLAM-PIRENENA malagasy, ny fandaminana ny tranom-bola sy ny fampisamboram-bola amin’ny ekônômia, fifehezana ny volam-panjakana eo amin’ny firafitry ny fidirany sy fivoahany ao amin’ny vatam-bolany isan-karazany rehetra, sns., omban’ny FANATSAHARANA AVY HATRANY ny PÔLITIKA FANAOVANA VARO BOBA NY HARENA ANKIBON’NY TANY SY FIVAROTAN-TANINDRAZANA ARA-BAKITENY AMIN’NY ORINASA VAHiNY AVY ANY IVELANY. Mazava ho azy fa mifanindran-dalana amin’izany ny fitsipahana ny pôlitika asesiky ny FMI sy ny vola hampisamboriny, ary raha ilaina dia ny fisintahana aminy sy ny Banky Mondialy... »
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS