Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 20h35
 

Répondre à un commentaire

4 mars 2019 à 10:05 | lysnorine (#9752)

« MARCHÉ DE GRÉ À GRÉ ve ny tamin ’ilay fanodinkodinana « SUBVENTIONS » ?

Betsaka no tsy mazava aminay loatra ny mikasika iry raharaha ity izay heverina ho VOLA MADINIKA ihany aloha no notononina ho mikasika ilay raharaha, raha oharina amin’ny raharaha hafa - tahaka ny BOIS DE ROSE, ohatra : MGA 1,000,000,000 (iraika arivo tapitrisa) na US$ 282,000 eo ho eo.

« Cette affaire concerne des subventions d’un montant total d’environ un milliard d’ariary »

Izay US$ 282,000 izay izany no tontalin’ny hoe « SUBVENTIONS » na FANAMPIANA nomen’ny Fanjakana « communes dimy » tany amin’ny Distrika Antsiranana (AntsEranana fa tsy AntsIranana aloha no fahita tamin’ny sarintanin’ny Foibe Tao-tsaritany Malagasy taloha). Natao hanamboaran’ireo « communes » ireo fanambaniny vaovao na hanarenany ny efa misy (« infrastructures » na BIRAO angaha), ka NISY NANODINKODINA. Voambara fa toe hoe tsy nisy « appel d’offres » natao momba ny nanomezana izany « marché » izany.

« il n’y AURAIT pas eu d’appel d’offres ». Koa arak’izany, dia tokony ho « Marché de GRÉ À GRÉ » izany no nataon’izay sampan-draharaha tompon’andraikitra tamin’ireo « communes » ireo : koa mba HAMPAHAZAVA bebe kokoa ny raharaha dia mitaky valiny mazava tsara ireto fanontaniana ireto :

1.1 Inona avy marina moa ISAK’IREO « COMMUNES » izany FANAMBANINY na « infrastructures » kasaina hatao na havaozina izany ?

1.2 IZA marina no sampan-draharaham-panjakana nanao ny « SPÉCIFICATIONS »-n’ireo fanambaniny ISAK’IREO « COMMUNES » tsirairay avy ireo [« cahier des charges »] sy ny TOMBAM-BOLA kasaina holaniana ? Nitentina ohatrinona io tombam-bola io ka nilaina ilay fanampiny MGA 1,000,000,000 Izany hoe :
. Mpanao raharaham-panjakana avy amin’ny Fanjakana foibe ve sa avy amin’ireo « communes » ireo na koa NY OLOM-BOFIDIDY tamin’ireo « communes » dimy ireo no nikarakara ilay « MARCHÉ DE GRÉ À GRÉ » ? Nivoaka tamin’ny gazetim-panjakana ve (JO) ? Mora hita ny valin’io fanontaniana farany izay tonga dia hahitana avy hatrany ny ANTSIPIRIANY sy mora hikarohana ny tompon’antoka rehetra.

. Voalaza anefa fa rehefa avy nandalo ny fitsaran’ ny « Pôle anti-corruption » ny BEN’NY TANÀNA tamin’ireo « communes » dimy ireo dia tsy nampidirina an-tranomaizina :

« ...les 5 maires, la propriétaire de l’entreprise et son époux ont été présentés devant la barre du Pôle anti-corruption...les 5 élus ont pu retrouver la liberté après l’audition du tribunal ».

MAHAGAGA DIA MAHAGAGA ihany izany satria ny BEN’NY TANÀNA sy ny Filan-kevitra monisipaly no hany tompon’andraikitra voalohany indrindra amin’ny « marché » tahaka itony mikasika ny tanàna eo ambany FIFEHEZANY. Koa raha misy tsikombakomba, FANODINKODINANA VOLAM-BAHOAKA, dia mazava ho azy fa NA OVIANA NA OVIANA, TSY AFAKA HANAO IZANY IRERY mihitsy ny olona eny IVELAN’ny mpandraharaha ao amin’ny « communes », fa TSY MAINTSY NISY TAMIN’ IZY IREO NO NIRAI-TETIKA TAMINY. Fa ilay mpivady, tompon’ny orinasa nahazo ny « marché de gré à gré » kosa, voalaza fa nanodina VOLAM-BAHOAKA sy nanao hosoka, no nampidirina an-tranomaizina. Raha izany no izy, dia tokony ho nampidirina an-tranomaizina tahaka azy ireo koa aloha ireo « maires » dimy novotsorana ireo, araka ny fahazoanay ny LALÀNA aloha, satria toa ohatry lasa NANAO TOMBO SY ALA ny « Pôle anti-corruption » :
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS