Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 15h53
 

Répondre à un commentaire

28 février 2019 à 17:20 | reviv (#9830)

teny gasy ( sa malagasy ) indray zany (sa izany ?) no tena izy.
Ka inona moa no maharatsy an’izany, tsara anié zany rehefa tsy vary amin’anana na koa vary sy akotry hoy koa ny sasany sy ankilany.

fa izao ihany, ny miverod’ela, na manodina
rrrr an-dela rehefa miresaka, na koa manao badalela hoy zahay avy any atsimo.
Ka io ve no fomba fiteny vaovao ankehitriny manara-penitra ?

alefaso ka velezo mafy leretsy, ny velirano mba hohitan-tsika

fa ity misy fanontaniana kely mba tiako (sa tiko ?) apetraka :
aiza hoaiza zao ny fampidirana ny teny mparitra ?
Ohatra iray ihany atolotro eto ;

rehefa naheno izahay hoe mamely mafy ny kitrotro de tsy « kopy » ny aty satria fanompoa no filazanay an’io karazan’aretina toa itony.

Ohatra iray koa de,
Ny fomba fanomezana anara-javatra tahakan’ireto vitsivitsy :
Ny akondro= kida= fintsa......
Mangahazo= balahazo= mahogo...
Katsaka= tsako=...
Vomanga= bagera= belé....
Tanalahy = sangorikita =...
etsetra...etsetra...
Itadiavana hevitra hampidirina an’ireo sy hampahafantarina na koa hampalalana ny vahoaka eran’ny nosy.

Maro ( na betsaka) fa aleko taperiko eto fa amin’ny manarak’indray mihaona.( sabotsy mifankahita, na koa an- drova mifankahita hoy ny tambanivolo ).

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS