Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h40
 

Répondre à un commentaire

25 février 2019 à 09:04 | lysnorine (#9752)

Re kartell 23 février (2019) à 13:10 - « Chinafrique & ’’Le Monde’’ »

« D’ailleurs au sujet de notre actualité future, la francafrique peut en cacher une autre : celle qui nous promet nos dirigeants et qui semble déjà bien engagée : la chinafrique, un régal »

« Pourquoi la Chine investit l’Afrique ?
https://www.lemonde.fr/international/video/2019/02/22/pourquoi-la-chine-investit-l-afrique_5427046_3210.html

« Partenaires privilégiés, la Chine et l’Afrique affichent une relation qui se veut ’’gagnant-gagnant’’. Mais est-ce vraiment le cas ?

« les relations entre la Chine et l’Afrique peuvent-elles vraiment être « gagnant-gagnant » ?
Par Antoine Schirer et Asia Balluffier Publié le 22 février 2019 à 18h02

Mampihomehy ihany ireo fanontaniana natikitika ny mpanoratra ilay lahatsoratra -izay Frantsay angamba -fanontaniana miampanga ny fiheverany ny mpitondra Afrikanina ho MARIVO SALOSINA daholo, tsy mahay manombana izay tena maha-soa ny fireneny, ka midi-kizo amin’ny FIDIRANY TROSA amin’i SININA (Tsy tahaka ny trosa amin’i Frantsa sy ny « Tandrefana » angaha no teny ataony tsy-loa-body).

Na iza na iza, na Sinoa na tsy Sinoa, na Fanjakana na Fikambanam-panjakana, na orinasam-panjakana vahiny na tsy miankina aminy, no

. MAMPISAMBO-BOLA Fanjakana iray dia MITOMBO foana ny trosany, izay tsy maintsy hefany na ho ela na hohaingana ;

. Manao « investissements » ao amin’ny taniny, dia tombom-barotra sy tombon-karena matevina dia matevina, faran’izay mety ho trany, HO AN’NY TENANY, no anton-javatra kendren’ IZY REHETRA , ary TSY MISY NA OVIANA NA OVIANA IZANY HOE « WIN-WIN » izany, eo amin’ny fifandraisany amin’ny Fanjakana mampiantrano azy. Izay HAHAKELY ny FATIANTOKA ho azy eo amin’ny lafin-javatra rehetra sy ny FAHAVEREZENA NY FIANDRIANAM-PIRENENY no hany METY hiadian’ilay Fanjakana mpampiantrano varotra kely tamin’ny NANEKENY ILAY TETIK’ASA, izay TSY IZY mihitsy amin’ny ankapobeny no loharano nipoirany. Fa araka ny vao nampahatsihivinay etsy aloha ny fampiharan’ny ohabolan’ny Ntaolo amin’itony tetik’asa itony, dia toy ny HANINA OMENA ANDEVOLAHY, TIAN-KANO, TSY TSIAN-KANO. Kanefa sitrapon’ilay mpitondra-fanjakana mpanapaka ihany no manaiky ny tetik’asa TSY AVY AMINY fa avy amin’ny any ivelany...na koa ny fandraisana « FANAMPIANA » heveriny fa tena hahasoa ny tokantranony. Eto dia misy fanomezana nomen’ny Sinoa ny Sekoly TEKNIKA etsy Ampasampito-Antananarivo, izay tena ilaina dia ilaina [bebe kokoa noho ny fanomezam-boky amin’ny teny vahiny] ary antenaina ny hahamaromaro ny toa izany. Toa tsy mba nahita gazety teto an-toerana nanao tatitra momba izany anefa izahay raha tsy diso :

« Madagascar : la Chine fait don d’équipement pour améliorer la formation professionnelle »
Xinhua | 21.02.2019
http://french.peopledaily.com.cn/Afrique/n3/2019/0221/c96852-9548415.html
« La Chine a remis un don d’équipement pour améliorer la formation professionnelle à Madagascar, lors d’une cérémonie officielle lundi à Antananarivo, capitale malgache.

« « L’équipement se compose de machines et d’accessoires sophistiqués, dont 20 THÉODOLITES, 20 mélangeurs de ciment électroniques, 50 PANNEAUX SOLAIRES PHOTOVOLTAÏQUES , 20 TOURS parallèles, 20 fraiseuses universelles, 20 raboteuses, 20 MOTEURS DIESEL et d’autres », a déclaré l’ambassadrice de Chine à Madagascar, Yang Xiaorong, dans son discours prononcé lors de la cérémonie de donation tenue au lycée technique d’Ampasampito. »

« L’ambassadrice chinoise a fait savoir que trois ingénieurs chinois et un INTERPRÈTE arriveraient bientôt à Madagascar pour aider à l’installation et FORMER les ENSEIGNANTS malgaches à l’utilisation des matériels. »

(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS