Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h13
 

Répondre à un commentaire

25 février 2019 à 08:27 | lysnorine (#9752)

Re : Turping 23 février (2019) à 11:34- ’’FANAMPIANA’’ avy any ivelany : tsy azo ialan’i Madagasikara
« Dans l’état actuel des choses , Madagascar NE PEUT S’EN PASSER DES AIDES provenant de l’étranger et l’assistanat perpétuel »

TSY MARINA loatra izany hoe noho ny toe-java-misy ankehitriny no mahatonga an’i Madagasikara tsy afa-miala amin’ny fitambezoana tsy hisy farany « fanampiana » avy any ivelany.

Araka ny fanakianana ataon’ny mpandray anjara nanaraka, dia ny TSY FANANANA PÔLITIKA HAFA NOHO IZANY FANGATAHANA LAVARENY IZANY - na koa TSI-FAHAIZA-MAMOLAVOLA PÔLITIKA HAFA - no mahatonga ny hoe « Tsy azo ihodiviran’i Madagasikara ny fitomaniana « Fanampiana » avy any ivelany :
. « Stomato 23 février (2019) à 12:08 répond à Turping ^
« Les AIDES venant de l’extérieur semblent être la PIERRE ANGULAIRE sur laquelle est construite la POLITIQUE ÉCONOMIQUE de Madagascar. »

Tsy vitan’izany koa fa, misy FANONTANIANA azo tsoahana avy amin’ny maha-SANGENEHANA azy nambara ny mpandray anjara hafa : tsy MARIVO SALOSINA ihany va re ireo mpanapaka sy ny mpanao fanjakana ambony ireo amin’ny fiheverany fa hanasoavana ny Firenena entiny ny hoe ahazoany « FANOMEZANA » vola be avy amin’ny NANJANAKA fahizay ?
. « punchline 23 février (2019) à 18:50
« CROIRE sans à priori ni verification, que CEUX qui vous ont colonisés, sont redevenus gentils, sans pour autant effacer vos dettes, mais capable d’une grande empathie au point de vous DONNER (?) des milliards de dollars pour votre bien, me laisse perplexe. »

Ilay voambolana hoe « FANAMPIANA » aloha dia mahavariana fa mazàna tsy faritan’ny mpampiasa azy tsara - indrindra fa ny mpanapaka - ny hevi-teniny ka matetika toa ataony SAFO BE MANTSINA fotsiny fa tsy mba avahany amin’ny :

(1) FAMPISAMBORAM-BOLA mampitombo ny trosa tsy maintsy hefan’ny Firenena na ho ela na ho haingana ; kanefa io fampisamboram-bola io, raha ny tetik’asa iharany no banjinina, dia TSY TETIK’ASA novolavolain’ny mpitondra sy mpanapaka ary « teknisianina » Malagasy velively fa : zavatra ALETRA ny ’’MPANAMPY’’ avy any ivelany hanasoavana ny ORINASANY ka hampitombo ny TOMBOM-BAROTR’IZY IREO voalohany indrindra, fa tsy hampandroso mihitsy na kely aza ny tokantranom-pirenena Malagasy (ny Ekônômiany) ka mba hampihemotra ny FAHANTRAN’ny sarambaben’ ny Vahoaka Malagasy izay mitrongo vao homana. Toy ny « Hanina omena ANDEVOLAHY : tsy tian-kano, tian-kano » hoy ny ohabolan’ny Ntaolo.

Vavolombelona velona miampanga an’izany ny FANDROSOAN’ny FAHANTRANA nifanindran-dalana amin’ny hoe FANAMPIAN’ny avy any ivelany NIANTOMBOKA tamin’ireny taona 1982 ireny, nandadian’ny fitondran’Ingahy Didier Ratsiraka tany amin’ny FMI, noho ny tsi-fahombiazan’ny pôlitikan’ny « Boky Mena » sy ny « Tolom-piavotana » ka naha-bankirompitra ny Fanjakana Malagasy, TSY NAHALOA ny TROSA MIAVOSA nananan’ny any ivelany taminy.

(2) FAMPIDIRANA sy fampivelarana ny orinasa AVY ANY IVELANY tonga HIHAZA TOMBOM-BAROTRA sy TOMBON-KARENA (’’investisseurs étrangers’’) eto Madagasikara.

TAKALON’ ireo SARINTSARIN-PANAMPIANA ireo -ambonin’ny FITOMBOAN’ny Trosa izany ! - ny NANERENA ny mpitondra Malagasy HIVAROTRA TANINDRAZANA ARA-BAKITENY sy HANAO VARO-BOBA ny harena ankibon’ny tany mbany ny FANAMBANY FOTOTRY ny tokantranom-pirenena (INFRASTRUCTURES publiques de base) amin’ny orinasa avy any ivelany . Koa noterena ary nanaiky ny HANOVA ny LALÀNA MALAGASY ny mpanapaka sy ny solombavam-bahoaka HANAMORANA izany rehetra izany :
Misy ohatra iray momba ny « Fanambany » - ao anatin’ny maro tsy tambo isaina - ity mikasika ny SERANAM-PIARAMANIDINA eto Madagasikara sy ny orinasa « Ravinala Airports ». Marihina tsara aloha fa na oviana na oviana, nandritra ny taom-polo maromaro hatramin’ny fiverenan’ny fahaleovantena tamin’y 1960, tsy mba nila izany fivarotana ny seranam-piaramanidina izany ny Fanjakana Malagasy (fanaovana azy « concession » izay ho MANDRAKIZAY ny fiafarany) hampandehanana azy.
. https://disclosures.ifc.org/#/projectDetail/SII/36882
Airports Madagascar
- Summary of Investment Information
Project Number : 36882
Company Name : Ravinala Airports
Industry : INFRASTRUCTURE
Sector : Other Support Activities for Transportation (GRAIN TERMINALS, CARGO TERMINALS, AIRPORT OPERATIONS )
The Project consists in a 28-year CONCESSION to expand, rehabilitate, operate and maintain the two largest airports in Madagascar : (i) Ivato Airport – serving Antananarivo, the capital city ; and (ii) Fascene Airport – serving the island of Nosy Bé, one of the most popular tourist destinations of the country....

- Project Sponsor and Major Shareholders of Project Company
The Concessionaire of the two airports will be Ravinala Airports (“Ravinala” or the “Project Company”), a limited liability company registered in Madagascar. Ravinala is to be OWNED by Aéroports de Paris Management (an international airport operator), Bouygues Bâtiment International (a construction company with international experience of airport concessions), Colas (a construction company with local presence through Colas Madagascar), and Meridiam (an INVESTOR IN INFRASTRUCTURE ASSETS with EUR 5 billion under management).

- The total Project cost is estimated at approximately EUR 220 million
- IFC (na SFI) Investment (million USD) : 149.07 million (USD
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS