Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 13h41
 

Répondre à un commentaire

20 février 2019 à 23:11 | lysnorine (#9752)

Re : rakoto-neutre 20 février (2019) à 11:58

« Lay fitaovam-piadiana MIHAHAKA ETSY SY EROA no tokony hasiana fiheverana. RAHA TENA MANAO FANADIHADINA ve DIA TSY HO FANTATRA NY FIHAVIAN’ireo basy tratra ireo. »

Efa nisy fanakianana momba io resaka fiavian’ny fitaovam-piadiana eny am-pelatanan’ny jiolahy sy ny daholo io, tamin’ny andron’ny fahefana nanongam-panjakana tamin’ny 17-18 Martsa 2009, dia tamin’ny Jona 2012 :

« Raharaha #DAHALO #REMENABILA sy #TOKANONO »
https://gazetyavylavitra.wordpress.com/2012/06/14/raharaha-dahalo-remenabila-sy-tokanono/
Posted on 14/06/2012 by gazetyavylavitra

« [...] Fa ny tsy aritro mahatonga ahy hanoratra androany dia tsy inona fa ny raharaha fanafihana nataon’andian’olona AN-JATONY MARO tany atsimon’ny Nosy tany. Tany akaikin’AMBOASARY ATSIMO .

« Voalohany aloha dia na dia efa andro vitsy aza no nitrangany tamin’izany fotoana, TSY NISY MIHITSY NY FANAMBARÀNA avy amin’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny fitondram-panjakana RAHA TSY tsy efa hitany fa efa MANOMBOKA BE RESAKA NY VAHOAKA .[...]

« Tsy takatry ny saiko ny antony nikononkononan’ireo tomponandraikitra ireo azy io tany fotsiny, fa izay tena mbola tsy takatry ny saiko dia ny FIHEVERAN’IZY IREO NY VAHOAKA MALAGASY HO TOY NY KENTRINA SY ADALA DAHOLO . Azafady, fa TSY NY REHETRA kosa angamba NO AZONAREO REBIREBENA sy raisina ho toy ny kentrina.

« Nahoana moa aho no masiaka fiteny androany ? Tsotra no antony : nandre tao amin’ny onjam-peo iray ny fanazavana nentin’ny MINISITRA, Jeneraly RAKOTOARIMASY Lucien aho nilazany fa hoe ‘TSY HAY NA BASY AVY AIZA NA BASY AVY AIZA IRENY BASY NATERIN’IREO DAHALO IRENY, ary tsy voaporofo koa hoe an’ireo mpitandro filaminana voalaza fa matin-dry zareo’. O r’ingahy Minisitra a, ataovy adala ny hafa, fa izaho kosa tsy manaiky ny handraisanao ahy ho toy ny adala, aza fady kely. Fomba ahoana moa no ahafahanao miteny toy izany ? Fony izahay mba nandalo an’izany FITAZAINA TAO ANATY TAFIKA izany, dia mahalala tsara fa MISY LAHARANY NY BASY TSIRAIRAY , ary FANTATRA HOE IZA NO NITONDRA INONA NIVOAKA NY MAGASIN D’ARME, REHEFA ANDRO TOY INONA . Koa dia nahoana no mifandrebireby e ? Mba atsaharo rangahy ity fiheverana ny vahoaka ho toy ny valalabetsimifoha ity a !
Izao koa ka hoe

‘TSY HANAO FANAFIHANA mivantana satria tsy fahavalo fa Malagasy toy ny tena ka hifampiresaka aloha mba tsy hisian’ny famoizana aina sy rà latsaka’..

Tsy fanaovana ny ain’ireo mpitandro filaminana sy olon-tsotra avy amin’ny fokonolona latsaka nandritra ny fifampitifirana ho toy ny fatin’alika ve izany ? Fa angaha moa ireo dahalo nitsitsy azy ireny, no ianao no hiseho ho mpamindra fo sy mpitsimbina ny ainy ?

Efa voalaza fa AN-JATONY MARO ireo hifanatrehana, nefa dia ISA TSY MIFANANDRIFY amin’izany no TOHANA NALEFA ANY AN-TOERANA .

Lazaina fa hoe rehefa fotoana tsy milamina eto amin’ny firenena vao mitranga ny toy izao, nefa marihako fa na nisy aza ny dahalo fahiny, tany aloha tany, na andron-dRATSIRAKA na RAVALOMANANA dia TSY TOA IZAO NO FITRANGANY. Tsy milaza koa izany fa hoe aleo ny asan-dahalo tamin’izany fotoana ihany. Fa REHEFA nisy kosa amin’izay ny RESAKA FANONDRANANA OMBY HO ANY KAOMORO SY NY FIRENENA HAFA taty aoriana, dia MIRONGATRA NY HALATRA OMBY sy ny VONO tsy misy indrafo. IZA NO AO AMBADIKA AO ? Sao mba misy aminareo mpitondra kosa manome vahana azy ireo e ? Ny tiako lazaina amin’ny hoe MPITONDRA, dia miainga mihitsy avy any ifotony ka hatrany an-tampony. RAHA TSY MISY MANTSY IZANY TOHANA IZANY , TSY HO SAHY hiantsy mpitandro filaminana sy HAMPILAZA MIALOHA NY FANAFIHANA hotanterahany ny olon-dratsy. Aiza ka hoe asaina miomana ny mponina any #RANOMAFANA _TAOLAGNARO fa ho avy hanafika ry zareo ny faha-20 Jona, mba azonareo an-tsaina ve ny fijalian’ireo olona marobe voatery mitsoa-ponenana ato anatn’ny fireneny ihany, latsa-dranomaso sy lotiky ny hatezerana nefa tsy afaka manoatra fa atody miady amam-bato ? Mba tsapanareo ve izany ?

Be ny VELOM-PANONTANIANA ankehitriny hoe, TENA DAHOLO TOKOA va re ? Ary misy mihitsy aza ny SAHY fa ANDIA-MIARAMILA mihoko amin’ny fitondrana izany fa TSY DAHOLO TSOTRA FOTSINY .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS