Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 08h48
 

Répondre à un commentaire

20 février 2019 à 10:09 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mahagaga ny mpiarabelona rehetra fa tena lasa mirongatra tampoka ny herisetra sy halatra, tsy hanavahana na antsaha na antanana, tsy mandry saina fa dia mihorohoro tokoa ny vahoaka.

Sarotra nefa no hino fa ny fahantrana mihoampampana irery ihany no fototr izao olana goavana atrehina izao.

Tsy lavina fa isany antony iray ny fahantrana, fa heveriko fa misy resaka fivoaran ny toetsaina sy ny kolotsaina ho any amin ny kizo sy antambo ihany koa ao ambadika.

Ny fitsiriritana ireo tsy maty manota no azo inoana fa isany manetsika ny sain-dratsy eo amin ireto mahavanon-doza.

Misy olona anie eny anivon ny fiarahamonina eny ka tsy fantatra sy tsy hita akory izay asa fivelomany sy ezaka ataony nefa dia hita sy mirehareha ary mieboebo tokoa fa manankatao sy manankarena.

Ny fitsiriritana ireto mpanao hakingana ambony latabatra mpanefoefo tsy fanta-pototra ireto no misarika ireo olondratsy hahavanon-doza.

Heveriko fa ilaina mihintsy ny fanambarana sy ny fanamarinana ny fananana mba tsy hisarika ny hafa hanome ohatra ratsy eo amin ny mpiarabelona.

Tokony hatomboka eo amin ny mpitondra sy tomponandraikitra ambony ny fanaovana izany mba ho lasa fitaratra fitsinjo ho an ny vahoaka.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS