Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h12
 

Répondre à un commentaire

17 février 2019 à 18:38 | Shalom (#2831)

Salanitra isika rehetra,
Lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rova saingy mitaky toe-javatra maro izany vao azo atao.
Marina avokoa ireo voalazan’ny fikambanana Mamelomaso ireo kanefa ny mampalahelo dia mbola lavitra ny làlana vao ho takatry ny sarababem-bahoaka ny maha-zava-dehibe ireo loha-hevitra ireo.
Tsy misy hifanomezan-tsiny anefa izany satria vahoaka noana no miaina ao Madagasikara, ary hoy ny fitenenana manao hoe : « raha ny kibo no noana, mivezivezy ny fanahy », raha ny kibo no noana, hanan-tsaina handinika an’izy Manjakamiadana ve ny Ambanilanitra ?
Manarak’izany dia tsikaritra ny tsy fandraisan’andraikitra eo anivon’ireo fianakavian’Andriana fa dia toa mizalavolavona miray petsapetsa amin’ny mpanao politika fotsiny ka manary hasina ny andraikitra tokony ho sahaniny. Hoy ny Fahagola : « Ny Andriana tsy andriana raha tsy ny vahoaka » izay midika hoe : y maha-Andriana dia tsy fiantsoana fotsiny fa mitaky adidy eo anivon’ny vahoaka. Tsy ny Andriana ve no tokony ho loha-laharana amin’ny fanarenana an’i Manjakamiadana ? Vitsy loatra ireo Andriana tonga saina manao izany, maro kosa ireo manary ny sata maha-izy azy. Koa raha ny andry ho jerena sy iankinana ve no tsy eo, iza no ho toky hialofana sy hitarika ny vahoaka ?
Fararanon-jozoro any Itasy, fararanon-tapia eny Imamo fa fararano-mpomban-drazana ny Zanak’Andriana.
Ny fitondrana tsy toky ary tsy antoka velively, ny fijejojejoana no maha-maika azy fa tsy izay tena fototry ny rakitra hevitry ny hoe Rovan’i Manjakamiadana velively.
Ambava homana am-po mierotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS