Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h40
 

Répondre à un commentaire

16 février 2019 à 08:20 | lysnorine (#9752)

Programme « Fihariana »-MGA 200,000,000,000.00 = US$ 56,000,000.00

Fanontaniana manitikitika ny saina :
1) Ampy mizara na ampy misoratra ve izany vola izany indrindra raha ORINASA sady tsy haha-faty antoka, no TENA HAHASOA ka TENA AFA-KAMPIVELATRA ny tokantranom-pirenena MALAGASY (économie nationale) no atsangana, tahaka ny TIKO, tamin’ny 1981-1983, izay vao nampahatsiavinay omalin’ny omaly ny mombamomba ny niandohany ? (lysnorine 15 février 2019 à 09:27 ao amin’ny « L’homme d’affaires Mbola Rajaonah arrêté », jeudi 14 février, https://www.madagascar-tribune.com/L-homme-d-affaires-Mbola-Rajaonah-arrete.html, « Ra8 est devenu millionnaire car il a travaillé dur »).
Tsara hotadidiana ny tarehi-marika hanaovana FANOHARANA :

- US$ 700,000 no nampisambory ny Banky Mondialy azy tamin’ny làlan’ny BNI, tamin’ny 1981. Ny lanjan’izany tamin’ny 2017 dia sahabo ho US$ 4,250,000.00 raha ny atao hoe ’’Relative ECONOMY COST of a project’’ no raisina’’.

- FMG 475,600,000 anefa, no tontalin’ny vola lany nahavitana azy tamin’ny 1983 na sahabo ho US$ 5,094,000 tamin’izany izay milanja US$ 27,300,000.00 (’’economy cost’’) tamin’ny 2017, izany hoe nihoatra be ihany ilay tombana tany am-boalohany.

- Toy izao no hasarobidin’ny entam-barotra LAFONY (ventes) :
1983 : FMG 302, 000, 000 (nihoatra ny telon-jato tapitrisa izany) na US$ 3,072,000 teo ho eo izay mitovitovy amin’ny US$ 2017 : 7,560,000 (’’real wage or real wealth’’) ;
1985 : FMG 1,100,000,000 (nihoatra ny arivo tapitrisa izany !) na US$ 10,420,000 teo ho eo izay mitovitovy amin’ny US$ 2017 : 23,700,000 (’’real wage or real wealth’’) .

- Toy izao kosa no TOMBOM-BARONY (profit) :

1983 : FMG 58,000,000 na US$ 576,500 na US$ 2017 : 1,310,000 (’’real wage or real wealth’’).
1985 : FMG 568,000,000 na US$ 5,380,000 na US$ 2017 : 12,300,000 (’’real wage or real wealth’’).

- Farany, ny ASA noforoniny : 65 (dimy amby enimpolo) nihoatra ny 33 (telo amby telopolo) noheverina tany am-boalohany.

Tsaro homarihina fa ROA TAONA taorianan’ny ny fampiraharahan’ny mpanorina azy tamin’ny mpampisambo-bola (1981) vao tafatsangana tanteraka ka AFAKA NIASA ny « TIKO » (1983), fa tsy poatoizay tsy akory.

Koa asa ny amin’ ny fampipoirana indosotria kely (« l’émergence de petites industries ») heverina ao amin’ ity « Programme National de l’Entrepreneuriat dit ’’Fihariana’’ ity ».

Raha raisina ohatra koa ny vola lanin’i TIKO naseho etsy aloha nampifanarahana amin’ny lanjam-bidiny aty aoriana -2017 US$ 27,300,000.00 - dia orinasa ROA tahaka azy ihany no mety ho vitan’ilay MGA 2,000,000,000 na US $ 56,000,000.
.(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS