Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 03h28
 

Répondre à un commentaire

14 février 2019 à 01:54 | lysnorine (#9752)

« Akinwuni Adesina a ainsi insisté sur la volonté de son institution financière à soutenir les réformes dans le domaine de l’agriculture parce que ’’Madagascar a la capacité de devenir le grenier à riz de l’océan Indien ’’, explique-t-il. »

Fanaovana ampihimamba ny tanin’ny sarambaben’ny tompon-tany Malagasy

Hidiran-doza sy hahita angano ny sarambaben’ny vahoaka malagasy mpamokatra sy mpanamaintimolaly ny tany raha mbola mikiribiby amin’ity resaka hoe atao mpivatsy sy fitehirizana hanin-kohanina ho an’ ny tany manodidina azy i Madagasikara « grenier de l’océan indien » ity ny mpitondra fanjakana Malagasy.

Vao omalin’ny omaly no nasongadina lahatsoratra iray ny loza efa mitranga sy ny mananontanona hateraky ny pôlitika mikendry ny hampandroso izaitsizy itony hoe ZES itony :

« Miala any ny ZES – Tozzi Green sy Sipromad (Ylias Akbaraly) – Mponina fokontany telo ho angotana amin’ny tanindrazany
12/02/2019
http://www.gvalosoa.net/2019/02/12/miala-any-ny-zes-tozzi-green-sy-sipromad-ylias-akbaraly-mponina-fokontany-telo-ho-angotana-aminny-tanindrazany/

Mijoro ny mponina ao FARIHITSARA SAHANIVOTRY manoloana ny tetikasa FANALÀNA AZY AMIN’NY TANINY fanalàna azy amin’ny taniny, toerana ionenany, toerana najariany, lova avy amin’ny razambe. Tetikasa sahanin’ny orinasa italiana Tozzi Green izay miara-miasa amin’ny Groupe Sipromad, tantanan’i Ylias Akbaraly, mpanefoefo indrindra eran’i Madagasikara, ary faha-dimy eran’i Afrika “francophone”.

Ampiasaina ny ZES (Zone Economique Spéciale), lalàna nolaniana tamin’ny taona 2018 tamin’ny fomba tsy mazava, ka manome vahana ny mpamatsi-vola HANANA TANY BE VELARANA. sy hampiasa izany tany izany, ka lazaina hoe mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka Malagasy...
Roasina amin’ny alalan’ny hoe “EXPROPRIATION d’utilité publique” ny mponina. ESORINA AMINY NY ZO MAHA-TOMPON-TANY AZY ..

Tsy mazava anefa ny tena tombontsoan’ny firenena iray manontolo....

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS