Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 01h25
 

Répondre à un commentaire

12 février 2019 à 18:17 | lysnorine (#9752)

@ Vohitra 12 février à 11:57
« Nizaka ny fahafatesana tampoka noho ny setrasetran ireo be hambopo izy satria ve :
noho izy Merina sa noho izy taranaky ny mainty enindreny sa noho izy mihevitra ny haka ho fananam-panjakana ireo orinasa lehibe frantsay ?
Sarotra sy manahirana tokoa ve ny mitondra valiny amin’izany ahiahy izany.. »
Tsy sarotra na manahirana ny « mitondra valiny »
Nisy fandraisanay anjara toy izao manaraka izao tamina fifanakalozan-kevitra momba ity tantaran’ny namonoana ny kôlôney Ratsimandrava ity tamin’ny Febroary 2012, tamina forum hafa efa nikatona

Re : Assassinat du Colonel Ratsimandrava
Envoyé par : lys-norine
Date : dim 12 février 2012 12:16:22

Rakotondrazaka Écrivait :
-------------------------------------------------------
(...)
>nous ne saurons jamais qui est le COMMANDITAIRE de son
> assassinat...

Tsy misy isalasalana velively fa i FRANTSA no atidoha nanomana ny famonoana ny kôlônely Ratsimandrava fa saribakoliny fitaovana nampiasainy fotsiny ny sisa, ny PÔLISY-FRS, tetsy Antanimora, ary ohatry ny voafitapitaka ka nohararaotina ny fikamenonan’ny Kôlônely BRÉCHARD . Misy zavatra tsara hotadidiana manodidina ny MIALOHA ity famonoana ity sy ny nitranga vantany vao maty izy ka manazava izany

1°- Aoka tsaroana tsara fa notendren’ny jeneraly Ramanantsoa ho mpanolotsainany ny kôlônely BRÉCHARD izay vonona dia vonona ny hanatanteraka ny andraikiny kanefa dia ...napetraka tamina Birao fotsiny izy...ary dia tsy mba nampahafantarina dosie na inona na inona ..araky ny LAMAODY fanenjehana ny mpanao fanjakana tsy tiana kanefa tsy noroahina taorian’ny 1972 . Fa dia ny Ambaniandro nanodidina ny jeneraly Ramanantsoa : ny kôlônely RABETAFIKA, directeur général du gouvernement, karazana praeministra mihitsy, Ingahy RABENORO Raymond (Directeur Général des Finances foana nandritra ny andron’i Tsiranana), komandà ANDRIANASOLO Hubert (2ème Bureau !), Razanamasy Yves-Marcel (lefitry ny commissaire à la présidence miandraikitra ny Coopération, tamin’ny andron’i Tsiranana, ary mpikambana tao amin’ny HCC tamin’izany fotoana izany) sns. no tena nitantana ny baolina tao amin’ny governemanta araky ny fiteny. Mpanohana mivantana an’i Didier Ratsiraka ny ankabiazan’izy ireo ! Etsy ankilany, ny kôlônely Ratsimandrava, lehiben’ny Zandarimaria sady ministry ny Atitany.

2°- Ny Kôlônely Ratsimandrava dia NOMANIN’NY FRANTSAY MANOKANA -ny kôlônely BOCCHINO , lehiben’ny Zandarimaria Malagasy hatrany am-piandohany, hitantana ny ho ZANDARIMARIA MALAGASY izay tena NOVOLAVOLAIN’NY FRANTSAY mba HAMENOANY OLONY tahaka ireo MILICES sy GARDES INDIGÈNES nampiasainy hanaporitra sy hampihorihory ny Malagasy tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany.Koa niangaviany manokana ny KAPITENY RATSIMANDRAVA hivadika ho zandary. Noho ny naha- isan’ny mpanorina ny PADESM ny rainy, dia NOHEVERIN’NY FRANTSAY fa azony hitokisana tanteraka Itompokolahy Ratsimandrava amin’ny fiarovana ny tombontsoany eo amin’ny fanjanahany sy fitsentsefany an’i Madagasikara. Kinanjo DISO TANTERAKA NY FANANTENANY tamin’ny pôlitika narahin’ny kôlônely Ratsimandrava, nony lasa ministra izy. Ary dia mety ho RAVA tanteraka ilay rafitra napetrak’i Frantsa tsikelikely tao amin’ny ZANDARIMARIA satria TSY NETY NIALA MIHITSY TAMIN’NY NAHA-LEHIBEN’NY ZANDARIMARIA AZY ny kôlônely Ratsimandrava, noho izany amin’ny Frantsay dia tsy maintsy NAJEDANY - « À ÉLIMINER » -izy ! Ambonin’izany natao ho FAMPITANDREMANA ny PADESM sy ny taranaka PADESM hafa manao na hanao pôlitika mba TSY HAMADIKA an’i FRANTSA, sao hahitany angano ! Aoka koa tsy hohadinoina fa poa tahaka izay dia NIVADIKA tamin’ny kôlônely Ratsimandrava ireo ZANDARY REHETRA noheverina na nitonona ho NAMANY MPANOHANA AZY taorian’ny nahafatesany.

3°- Tahaka ny tao amin’ny ZANDARIMARIA ihany, dia saiky OLON’ ny FRANTSAY TAMIN’NY ANDRON’NY FANJANAHANTANY DAHOLO no nibahan-toerana tao amin’ny sampan-draharaham-PÔLISY sy fitsikilovana ary ny ministeran’ny Aty Tany. Koa araky ny filazana AZO ANTOKA dia antoka nataon’ny maro izay nahalala tsara ny Aty Tany, dia TAO AMIN’NY BIRAONY tao amin’ny ministeran’ny Aty Tany no novonoina ny kôlônely Ratsimandrava, fa dia « MISE EN SCÈNE »-SINEMA- no sisa no « nolalaovina » ny tetsy Ambohijatovo, ary dia NOVITAINA avy eo ny « mpilalao » ! Marihina fa nisy tokoa ny Vazaha teto an-toerana avy hatrany dia nahare na nahalala [MIALOHA] ny HITRANGAN’ io « sinema-mise en scène » tetsy Ambohijatovo io ! [ 2019 :Ka nandeha nanamarina azy teny Ambohijatovo ary mbola NAHATRATRA tokoa ny tifitra vary raraka nataon’ilay « commando » ] Fantratra moa avy eo ny tatitra sandoka rehetra ny amin’ny « autopsie », nataon’ilay dokotera...havan’Itompokolahy Ratsimandrava hiany, sns. !

4°- Farany : I Didier Ratsiraka no nanoloran’ny jeneraly Ramanantsoa ny fahefana, saingy hentitra ny kôlônely Ratsimandrava fa ho tanany foana ny maha-lehiben’ny zandarimaria sady ministry ny Aty Tany azy, satria ny « governemantan’ny jeneraly Ramanantsoa » -tsy vaky volo no nomen’ny vahoaka ny fahatokisany tamin’ny referendum tamin’ny 8 Ôktôbra 1972. Koa sady tsy nanaiky i Ratsiraka no nandà ny hiditra tao amin’ny governemanta Ratsimandrava, izay notoloran’ny jeneral Ramanantsoa ny fahefany. Efa voaomana ny fivorian’ny « manamboninahitra » avy amin’ny faritany dimy tao amin’ny tobin’ny Zandarimaria -Catalane- dieny ny alin’ny namonoana ny kôlônely Ratsimandrava. Raha vao nampahafantarina tamin’ny telefaonina ny jeneraly Ramanantsoa, dia nitomany nigogogogo, hono, nilaza fa izy no tokony ho faty tamin’ny toeran-dRatsimandrava, koa dia miomana ny hiverina handray ny fahefana indray izy , SAINGY AVY HATRANY DIA NOTAPAHIN-DRY ZALAHY NY TELEFAONINA !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS