Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 23h16
 

Répondre à un commentaire

6 février 2019 à 12:01 | dadasamy (#10220)

Miarahaba ny rehetra .
Ny ilain’ny vahoaka andavan’andro no tena anisan’ny tena maika izao ka ao anatin’izany, dia mbola haveriko ihany ny momba ny fitsabona. Ovaina tanteraka ny politika momba ny fahasalamam-bahoaka fa mijaly loatra ny maro an’isa.Misy ny politika miaraka amin’ny OMS sy ny UNICEF fa ny fanjakana tokony hanao ny adidiny mikasika ireo toeram-pitsaboina rehetra( fanafody,fitaovana isakarazany, prise en charge maimaimpoana ho an’ny 90% ny malagasy mahantra,etc....).
Ny zavatra misy amin’izao fotoana izao dia tsy azo ekena intsony ka tokony hangataka sy hanery ny fanjakana sy ny mpitondra isika hanova ny politikany. Tokony hotanteraka haingana izany fa maro loatra ireo maty manerana ny nosy nefa toa jerena fotsiny tsy manaitra ny rehetra, ,indrindra ny mpitondtra. Raha misy ny vola hanaovana ireo projet goavanan’ny IEM ireo dia tokony hisy ny vola hanatanterahina sy fanatsarana ny fomba fisabona eto M/car.
Koa mbola miangavy an-tanandroa sy mitalaho re ,vonjeo haingana ireo mpiray tanindrazana amintsika, fa anisan’ny laharam-pahamehana koa io fitsabona io ary miatraika mivantana amin’ny fiain’ny vahoaka andavan’andro.
Efa tafararesaka tamin’olona vitsivitsy mifandray akaiky amin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny tenako nefa toa tsy ao anatin’ny programan-drizareo akory izany na dia malagasy morobe aza no maty isan’andro ka tena mampalahelo tokoa.
Mba ampitapitao ihany anefa sy amparitao foana izao sosokevitro sy faniriako izao fa mety ho tanteraka ihany angamba rehefa tonga saina ireo mpitondra antsika( non assistance à une population en danger de mort,ka crime na eloka bevava no filaza an’izany)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS