Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h59
 

Répondre à un commentaire

5 février 2019 à 10:50 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Tany @ faraparan ny taona 1978 tany dia nalaza ny tarika Hazo Midoroboka, niventso ny gadonkira sova izy ireo, ary talohan izany dia anarana hafa no heno niantsoana azy io, dia ny hoe « jomak »Ampamarinana".

Ity anarana farany ity dia nentina nivoizana ny fisian ny hantsana goavana misy ara-tsaranga eo @ fiarahamonina, ary isany novoizin ny antoko iray milaza fa mitolona ho @ fitovian-tsaranga.

Ery ankady ambanin ny hantsana tokoa no misy an Ampamarinana ary tsy diso akory ny filazana fa noho ny hantsana ara-tsaranga no nahatonga ny fanorenam-ponenana teny @ iny toerana iny.

Telopolo taona aty aoriana dia mbola tsy nisy fanarenana ny hantsana ara-tsaranga ary izy izao niharan ny hetraketraky ny natiora izao ka nipaoka sy nandripaka aina izao.

Aiza ireo tompon andraikitra fahiny tao @ Fivondronana fahiny izay avy @ antoko AKFM izay nanome ny alalana ho fahazoana monina eny no tsy mba re feo ankehitriny ?

Nahoana tokoa no niandry ny loza nitranga indray vao nandray fepetra nefa efa ela no niheverana io ho loza mitatao ?

Tsy efa t@ 2016 ve no efa nisy aina nafoy teo ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS