Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h46
 

Répondre à un commentaire

4 février 2019 à 11:01 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mirary fihononana feno ho an ireo fianakaviana nidonam-pahoriana tsy nahy amin izao trangan-javatra izao, ary mirary fahasalamana ho an ireo mbola marefo sy mbola miady ho amin ny fiainana ho lavitry ny rofy.

Mampalahelo tokoa izao zavatra misy izao, ary ny alahelo no tdy afaka amin ny olo-miaina rehefa misy ny fisarahana eto amin ity tany fandalovana ity.

Hetraketraky ny natiora ve izao zavamisy izao, sarotra ihany koa no hilaza fa voajanahary izao.

Toerana manankasina ny fasana mitahiry ny taolambalo eny ambony eny, mirakitra fomba sy riba mirazotra amin ny kolontsaina nahasaropiaro ireo Raiamandreny efa nialoha lalana nafenina hametraka ny fanahiny hitsinjo ny lalampiainan ny ambanilanitra.

Tsy toerana fanaovambelirano ho an ny tany repobilikanina ny eny amin ny Rova eny, na inona na inona holazaina, ary tsy azo odiana tsy hita fa misy tantara miorimpaka efa efajato taona mahery eny ambony eny fony nisava lalana sy niantso handroso Andrianjaka.

Mananankasina ny fomba, tandremo ny misavika sy mandrorona.

Tahio ry Zanahary sy masina mba tsy nisy nanota fady rizareo nanao amboletra nihanidapa tsy nanao aody tsy andro fandroana ireo.

Enga anie mba izaho no diso

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS