Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Répondre à un commentaire

1er février 2019 à 10:06 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Raha ity tolokevitra avy amin ny CENI ity no dinihina, dia any amin ny volana jolay any izany vao hisy Antenimierampirenena hijoro afaka hiasa hanao lalana sy hanara-maso ny asan ny rafitra mpanatanteraka.

Mandritry ny enimbolana izany dia didy hitsivolana no entina hitondrana ny fanapahana eto amin ny tany sy fanjakana.

Ao anatin ny enimbolana izany dia ny Filoha no mandidy, manapaka, mifehy, mibaiko, mivoy, mitondra, mampanaiky samirery izay heviny sy tiany handehanana sy hizoran ny tantara sy raharaham-pirenena.

Tsy azo hihodivirana sy hidifiana ary handosirana intsony izany tranganjavatra izany ankehitriny, satria natao fanahy ninians mihintsy ny hahatongavana amin izany, izany hoe, efa voaomana mialoha ho tonga amin izany mihintsy ny raharaham-pirenena.

Efa fantatra mialoha fa ho tapitra ny 06 febroary 2019 ny fotoampiasan ny depiote, fa maninona no tsy nisy ezaka kely akory mba nentina nisorohana ny fisian ny olontokana ho lasa tsy refesina mandidy ?

Azo natao ary nolazaina tamin ny 2013 fa demokratika ny nampiarahana ny fiodinana faharoa tamin ny fifidianana filoha sy depiote, fa inona no vato nisakana tsy nanaovana izany ny taona 2018 ?

Efa voaomana mialoha ny hanomezana fahefana goavana tsy hifampierana sy hifampizarana andraikitra, natao izay hametrahana ho eo ampelantanany samirery ny fanapahana, efa nalahatra ho azy ny lamina hametraka izay tanjona tiany hitondrana ny Firenena.

Omeo azy manontolo tsy hanombinana ary ny fahefana izay efa nokatsahany fatratra fony ela, atolory azy hanjakany, efa nisafidy azy isika, sao kosa dia izy samirery mifehy antsika no hitondra ny soa sy ny tsara ho antsika ?

Dia mbola ho diso lalana indray ve isika ? Raha mbola izany no mitranga dia efa isika mianakavy mihintsy no tsy mitsahatra ny misary adala foana eto...

Tahionao ry Zanahary...

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS