Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 00h26
 

Répondre à un commentaire

2 février 2019 à 08:33 | lysnorine (#9752)

« Ordonnances » handika ny Lalàm-panorenana ve ?

Misy ireto andalan-tsoratra ireto ao amin’ilay matoan-dahatsoratra, mahatalanjona ihany, mikasika ny hoe hampiasan’ny prezidàn’ny Repoblika ny fahefana mamboatra LALÀNA hampindramin’ny iray amin’ny tompony (Antenimieran’ny depiote) azy « mandritra ny fotoana voafetra sy mikasika toe-javatra voafaritra » mazava -tsara izany. Efa nomarihin’ny mpandray anjara eto rahateo ihany izany mahatalanjona izany, satria toa fanosihosena izaitsizy ny Lalàm-panorenana no hahìna atsy ho atsy :
- Bemakely 31 janvier à 09:19
- el che 31 janvier à 19:31 répond à Bemakely

Koa hiverananay kely izy ireo :

1) fanafohezana ny fe-potoana hiasan’ny senatera ankehitriny ary izany hoe « fanonganana » na koa fanaverezan-jo - « destituer » ny Antenimieran’ny senatera : « En légiférant par ordonnance en conseil des ministres, Andry Rajoelina pourra également décider de mettre fin prématurément aux mandats des sénateurs et DESTITUER par la même occasion cette institution »

Mampisalasala anay fatratra ny hevitra tian’ilay mpanoratra nambara tamin’izany hoe : hohararaotina ny hi- « destituer »-na ny Antenimieran’ny senatera. OLONA manko, hoy ny famaritan’ny Rakibolana Frantsay no iharan’ny matoanteny « destituer » : « Retirer à QUELQU’UN sa charge, son emploi, sa fonction, son grade. ». Ary toa izao no sasany amin’ny matoanteny voatanisa ho mitovy hevitra aminy (« synonymes ») : dégrader, DÉMETTRE de, DÉPOSER, LICENCIER, limoger, renvoyer, révoquer. [https://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/destituer/24700/synonyme] .
Na koa amin’ny resaka LALÀNA angaha : « Dr. Priver quelqu’un ou quelque chose (d’un DROIT) », http://www.cnrtl.fr/definition/destituer.
Fa nahoana aza no tsy NOTSORINA avy hatrany fotsiny hoe HOFOANANA na ho- « SUPPRIMER » ( = « Faire cesser une institution, une loi, mettre fin à leurs effets », hoy ihany ny Larousse ) ny Antenimieran’ny senatera araka ny hoe prôgrama naroson’Ingahy prezidà hifidianana azy. Ao raha hoy ilay fiteny.

2) Cette issue (?) fixée par la disposition (laquelle ?) de la Constitution en vigueur dans le pays permettra au régime actuel d’ÉCHAPPER À UN RÉFÉRENDUM

Araka ny fahazoanay izany dia HAFETSIFETSENA mira FANDIKANA NY LALÀM-PANORENANA, dia ny hahazoana manova ny Lalàm-panorenana ka tsy hampandalovana referendum, araka ny takin’ny andininy faha-162.3 ao amin’ny lalàm-panorenana ankehitriny :

162.3 « Ny volavola na tolokevitra [hanitsiana ny lalàm-panorenana] izay nankatoavina dia aroso amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka.
162. 3 Le projet ou la proposition de révision ainsi approuvé(e) est soumis à référendum.
Mazava ho azy fa raha miditra amin’izany hafetsifetsena izany Ingahy prezidàn’ny Repoblika, dia mandika ny fianianana nataony, izay misy manao hoe :

and. 148. "Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny Firenena ary ny Vahoaka,...
’’Mianiana aho fa hanaja sy hitandrina toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana...’’

Farany ilaina antitranterina tsara eto ny FAMERANA nosoritan’ny andininy faha 104 ny amin’ny fahazoan’ny prezidàn’ny Repoblika mampiasa io fahefana manefy sy mamoaka lalàna hanan-kery avy hatrany io,
1) Fotoana voafetra
2) toe-javatra voafetra
3) mahakasika ny SEHATRY NY LALÀNA

Andininy 104.- Ny Antenimiera amin’ny alalan’ny latsa-bato ataon’ny antsasa-manilan’ny
mpikambana mandrafitra ny Antenimiera tsirairay dia afaka MAMINDRA NY FAHEFANY amin’ny Filohan’ny Repoblika hanao lalàna mandritra ny FOTOANA VOAFETRA sy mikasika TOE-JAVATRA VOAFARITRA .
Ny fanomezam-pahefana dia manome alàlana ny Filohan’ny Repoblika handray fepetra AMIN’NY ANKAPOBENY momba ny toe-javatra MAHAKASIKA ny SEHATRY NY LALÀNA, amin’ny alalan’ny hitsivolana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra.

Article 104.- Le Parlement, par un vote à la majorité absolue des membres composant chaque Assemblée, peut DÉLÉGUER SON POUVOIR DE LÉGIFÉRER au Président de la République pendant un TEMPS LIMITÉ et pour un OBJET DÉTERMINÉ .
La délégation de pouvoir autorise le Président de la République à prendre, par ordonnance en Conseil des Ministres, des MESURES de PORTÉE GÉNÉRALE sur des MATIERES RELEVANT DU DOMAINE DE LA LOI.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS