Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 15h10
 

Répondre à un commentaire

29 janvier 2019 à 15:15 | Vohitra (#7654)

Raha ny fandresena azon i zandry donakely tamin ny latsabato izay natao farany, tamin ireo 26 % avy @ mpifidy voasoratra anarana, ny maro an isa dia vato avy any @ faritany dimy.

Natao sesilany sy angoantenda tetsy.sy teroa ny velirano, somary nolaroana kely tamin ny hira.sy dihy nentanin ny mpanakanto matihanina.

Rehefa azony ny vato, eny antanany ny fahefana, eny ambozonany ny fanapahana, fotodrafitrasa goavana ho an Antananarivo no hataony, ns fotodrafitrasa tsy nanaovany velirano aza lazainy fa ho atao.

Natao ny fanendrena tomponandraikitra hiantoka ny fanatanterahana ny velirano, ny iray ao @ fiadidiana ny repobilika, ny iray ao @ governemanta, zanak Antananarivo daholo ireto roa.

Nojerena indray ny ekipa anaty governemanta, oadray, toa maro an isa ihany koa ny zanak Antananarivo.

Ny lehiben ny Andrimpanjakana moa tsy lazaina intsony, tsy isaina intsony ilay iray lany daty @ herinandro ambony.

Antananarivo anie hono ville des milles fa tsy cite du soleil, efa hiorina eo indray izao ny tanana masoandro.

Isaorana ny mpanome hoy ny mpandray, na ny mpanome vato na ny mpanome vola.

Misaotra Tompoko o, mankasitraka e

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS