Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h57
 

Répondre à un commentaire

15 janvier 2019 à 10:00 | lysnorine (#9752)

Re : kartell 14 janvier 2019 à 19:55

« L’élection expliquée et commentée »
https://www.lemonde.fr/afrique/article/2019/01/14/presidentielle-a-madagascar-andry-rajoelina-doit-sa-victoire-aux-citadins_5408995_3212.html

Fomba hafa fijery sy fivoasana ny vokatry ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana ho prezidà tamin’ny 19 desambra 2018 no arosonay.

1) Mety sarotra avahana ihany angamba aloha eto Madagasikara ny hoe « mponina an-tanan-dehibe » ( « citadins ») sy ny HAFA (ny antsoin’ilay mpanoratra tao amin’ny gazety « Le Monde » hoe « populations rurales »). Hatramin’ny FIRY AVY moa no isan’ ny MPONINA amin’ny tanàna sokajiana eto ho « TANAN-DEHIBE » ( « villes » izany ) manavaka azy amin’ny FARIBOHITRA sy/na FARITANANA onenan’ny « Tambanivohitra » - be an’isa –manenika an’ i Madagasikara iray manontolo fa tsy Imerina fotsiny ihany araka ny sao-teny ataon’ilay mpanoratra :
« Marc Ravalomanana a fait le plein de voix dans les HAUTS PLATEAUX , dont il est ORIGINAIRE et où SE CONCENTRENT les POPULATIONS RURALES » ?

2) Araka ny efa nambaranay matetika teto, tsy midika inona firy ny fanoharana ny isan’ny mponina nifidy kandidà iray amin’ny isan’ny mpifidy nandeha nifidy ka nanan-kery ny latsa-batony (« suffrages exprimés ») na 4,647,785 eto. Ny fitaratra itarafana tsara ny haben’ny mponina nifidy kandidà (Rajoelina 2,586,938 ; Ravalomanana 2,060, 847) – izany hoe ny lanjan’ilay kandidà eo imason’ny vahoaka mpifidy izany - dia ny fanoharana ireo isan’ny mpifidy nifidy azy ireo amin’ny isan’ny mponina VOASORATRA ANARANA AO ANATIN’NY LISITRY NY MPIFIDY (« inscrits ») na 9,913,599 eto. [Rajoelina : 26.09 % ; Ravalomanana : 20.78 %].
Manarak’izany manahirana ihany no avy hatrany dia tombohana fotsiny ho MATY HASINA ny mpanao pôlitika REHETRA eo imason’ny mpifidy voasoratra anarana ho isan’ny mpifidy matoa be an’isa no tsy nandeha nifidy – izay nahatratra 5,146,257 na 51.91 %-n’ny « inscrits » tamin’ity fihodinana faharoa ity. Angamba ny tena ANTONY LEHIBE INDRINDRA dia ny TSY FITOKISAN’ireo be an’isa amin’ny mpifidy ireo ny CENI ka ho MARINA, TSY HISY HOSOKA ny fifidianana karakarainy. [« cette faible mobilisation traduisant le DISCRÉDIT de la classe politique, selon Christian Bouquet »]

3) Misy fandaharana ISAM-PARITRA ny habetsahan’ny MPIFIDY voasoratra anarana ho isan’ny mpifidy KA TSY NANDEHA NIFIDY manaraka ; ny ampahany isan-jatony oharina amin’ny « inscrits » no noraisinay ka nalahatray araka ny hakeliny indrindra no ho miakatra.

(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS