Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 12h35
 

Répondre à un commentaire

12 janvier 2019 à 14:54 | Ikelimalaza 2009 (#10495)

Fivavahana maro samihafa no misy eto Madagascar, Madagasikara, Manankasitsara :
1 - Fivavahan’ireo malagasy razantsika mianakavy, finoana an’i Zanahary (Izay Nahary) Le Dieu Créateur. Io ilay Zanahary antampon’ny loha izay natahoran’ireo razantsika hany ka na irery eny amin’ny lohasaha mangina ary ry zareo dia tsy sahy manao ratsy, satria fantany fa i Zanahary mahita ny miafina rehetra.
Zanahary ilay izy fa tsy andriamanitra. Ny Andriana taloha (tokony hatramin’izao) rehefa maty dia fady hoan’izay manatrika eo no miteny hoe maimbo ny razana, avy amin’io ilay hoe andriamanitra. Tonga moa ry zareo misionera taty aoriana dia nandika ilay izy arak’izay nitiavany azy sy metimety taminy. Nanomboka teo dia naparitany fa fahamaizinana izany fa ny an-dry zareo no tena fahazavana ary nenjehina mafy satria fanompoana sampy fotsiny hono.
Na ny tantaran’i Madagascar ary lasa betsaka ny novainy sy nofafany arak’izay mety tamin-dry zareo, isika rahateo koa moa lovan-tsofina no niampitan’ny tantara fa tsisy soratra fa ry zareo no nampianatra antsika hamaky teny sy hanoratra.

2 - FFKM (efa haintsika mianakavy tsianjery hoe iza avy ny ao anatiny satria isika no tompon-daka eran-tany amin’ny fivorian’ny zanaka ampielezana).

3 - Jesosy Mamonjy, Adventiste, Baptiste, Pentecôtista, Rhema, Jehovah Witness, ireo fiangonana tarihin’ireo Pasteur Superstar matetika any anaty salle de cinéma ry zareo no miangona na amin’ny andavanandro ary (Maihol, Kohen Rivolala, Jocelyn, Shine,....)

4 - finoana Silamo maro isan-karazany ihany koa

5 - Judaïsme

Mety misy hafa mbola tsy voatanisa.

Hitako rariny sy hitsiny kosa noho izany ny fanapahan-kevitry ry zareo ao anatin’ny HCC. Ary efa ela no tokony natao an’izany raha efa niara-nanaiky fa fanjakana repoblikana laika no atao.
Manarak’izany, ny HCC no nanapa-kevitra fa tsy ny Ray aman-dReny Andry Nirina Rajolenina.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS