Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 06h13
 

Répondre à un commentaire

10 janvier 2019 à 13:28 | Isandra (#7070)

Hoatran’ny ho tanteraka ihany ity Faniriako ity, izay nosoratako taona vitsivitsy lasa izay :

IZAY MBA FIRARIKO.

Ny firarina aorian’ny fifidianana,
Dia isika rehetra hamitra-pihavanana,
Ho salama sy tomady avokoa,
Handosiram-pahoriana, hototo-java-tsoa.

Ny rehetra hiova toe-tsaina,
Ka ny saina lomorina hankalaina,
Ny indro kely amboarina,
Hampiarina ny rariny, ho hajaina ny marina..

Halavirina ny fitiavan-tena,
Atao ambony ny tombon-tsoam-pirenena,
Havela ny adilahy politika,
Ny fihavanana no atao tsy misy tomika,

Ny lalam-panorenana hankatoavina,
Ny teny nomena hotoavina,
Ny hafetsifetsem-politika holavina,
Ny Éthique ara-politika hankarina,

Tsy holazaina ho mpananim-bohitra,
Ireo akolafim-panohitra,
Fa ny fahafahana sy demokrasia no atao fenitra,
Ka ny voafidy dia izay tena mendrika,

Hametraka Vina hanatsarana,
Entina hiady amin’ny fahantrana,
Tetik’asa fampandrosoana,
Entina hiantrehana ity fanatontoloana,

Ny ady amin’ny kolikoly ho laharam-pahamehana,
Ho vain-dohandraharaha ny fandriam-pahalemana,
Ho tena voasazy ireo maniasia,
Amin’ny fanajana lalana sy ny demokrasia.

Ny fitantanana hangarahara,
Ny fisaram-pahefana ho hajaina,
Ny faritra rehetra tsy hisy ho very anjara,
Fa ny soatoavina no holalaina.

Dia handry fahizay ny tany,
Ny rehetra vonona hanainga amin’ny dia,
Tapa-kevitra ireo avy any ambany,
Hifoha amin’ny toromasony ny avara - pi..

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS