Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 23h52
 

Répondre à un commentaire

10 janvier 2019 à 12:58 | Ibalitakely (#9342)

Ny tantara dia mbola mitohy e, mitohy e, mitohy e !
Lohateny : INDRAY ANDRO HONO …
-  Efa t@ Repoblika faha 2, dia nisy olona iray izay RM no anarany, toa hoe mpivarotra ronono velona angaha izy io no nahatafatsangana orinasa lehibe itony antsoina hoe agro-alimentaire itony – Fa rehefa tonga ny Repoblika faha telo nisy Zandrikely izay rehefa nanambady zanaka mpanefoefo [dondrona pub sa inona tsara izy izay ??] dia Tonga Goavana Vetivety na antsoina koa hoe TGV.
-  Ny taona 1999 i RM dia nanangana ny fikambanana Tiako Iarivo ka lasa ben’ny tanàn’Antananarivo avy eo – Fa i Zandrikely kosa ny taona 2007 dia nanangana ihany koa ny fikambanana TGV & lasa ben’ny tanàn’Antananarivo ihany koa izy.
-  Navadiky RM ho antoko ilay fikambanany ny taona 2001 ka lasa hoe Tiako i Madagasikara na TIM. Nilatsaka ho fidiana filoham-pirenena avy eo i RM ny 2001 & rehefa nisy gidragidra naharitra [Dakarakara …] & nisy nilaza azy fa mpanongam-panjakana nefa dia lasa filoham-pirenena neken’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ihany izy ny 2002 – Zandrikely kosa ny taona 2009 dia nogiazany & nasainy nametra-pialana aloha ny MINDEF sady nosoloiny an-kitsorano izao ny CEMGAM [cemgam autoproclamé izay notazomin’i Zandrikely nandritry ny tAtezamihitatra notatanany] ka sady rehefa tonga nanampy azy ny vazaha & ny CAPSAT dia « ny vahôk‘ hoy izy tao @ EPISCOPA no nametraka ahy » raha lasany ny fahefana ny 17/03/2009.
-  Ny taona 2006 rehefa tonga indray ny fifidianana filoham-pirenena, dia nilatsaka fanindroany i RM mba ho entiny manamarina fa tsy nanongam-panjakana izany ny tenany fa ny vahoaka no nametraka azy @ toerana maha filoha azy, dia lany fanindroany izy –Fa ny taona 2018 teo dia nilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena koa i Zandrikely ilazany fa izy dia miaraka amin’ny vahôk’ hatrany, dia ... hain-tsika rehetra ny fandehan’ny zava-misy rehetra amin’izao fiandohan’ny taona 2019 izao.
* Ohatra ny misy itovitovisany ireo tantara ireo ô !! Fa ny tantara dia mbola mitohy e, mitohy e, mitohy e !!

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS