Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h10
 

Répondre à un commentaire

10 janvier 2019 à 08:38 | lysnorine (#9752)

Re : elena 9 janvier à 09:32 répond à manga ^

« Voilà, c’est fait, 10 % de la population a voté pour André Joel. »
Hoy kosa Ingahy Rajoelina hoe :

“Ho filohan’ny MALAGASY IRAY MANONTOLO aho manomboka eto [Gazetin’ny Nosy, 09 janvier 2019, http://www.lagazette-dgi.com/?p=24024]

Ny tianay antitranterina dia izao :
Filohan’i MADAGASIKARA ARA-DALÀNA - Filohan’ny FANJAKANA Malagasy izany - no izy fa TSY azo atao hoe « Filohan’ ny MALAGASY IRAY MANONTOLO » velively - ny VAHOAKA MALAGASY rehetra izany - araka ny azo tsoahana avy amin’ny TAREHI-MARIKA manambara ny vokatry ny fifidianana [http://www.hcc.gov.mg/non-classe/didim-pitsarana-laharana-faha-01-hcc-ar-taminny-8-janoary-2019-anambarana-ny-vokatra-ofisialinny-fihodinana-faharoa-aminny-fifidianana-filohanny-repoblika-natao-ny/ ; na http://www.hcc.gov.mg/non-classe/arret-n01-hcc-ar-du-8-janvier-2019-portant-proclamation-des-resultats-officiels-du-second-tour-de-lelection-presidentielle-du-19-decembre-2018/]
NB : Nisy FANOVANA ireo tarehi-marika ireo oharina amin’ny navoakan’ny CENI [https://presidentielle.ceni-madagascar.mg/bvrnat/bvrnate]

1) Tontalin’ny isan’ny MPIFIDY NIFIDY ny kandidà RAJOELINA (13) :
2,586,938 [nampitomboina 19,796] na 26.09 % n’ny ISAN’ny MPIFIDY voasoratra anarana TAO ANATY LISITRY NY MPIFIDY (9,913,599) ;

2) Tontalin’ny isan’ny MPIFIDY voasoratra anarana tao anaty lisitry ny mpifidy (9,913,599 ) TSY NIFIDY ny kandidà RAJOELINA (13) dia tontalin’ny :

2.1 Ny isan’ny MPIFIDY voasoratra anarana tao anaty lisitra fa TSY NANDEHA NIFIDY :
5,146,257 [NAHENA 28,637] na 51,91% n’ny ISAN’ny MPIFIDY voasoratra anarana TAO ANATY LISITRY NY MPIFIDY (9,913,599) ;
[5,146,257 = 9,913,599 (’’inscrits’’) -4 767 342(’’votants’’) ] ; sy

2.2 Ny isan’ny MPIFIDY NIFIDY ka FOTSY na MATY ny vato nalatsany : 119,557 (nampitomboina 817 ) na 1.12 %- n’ny ISAN’ny MPIFIDY voasoratra anarana TAO ANATY LISITRY NY MPIFIDY (9,913,599)
[NB.Tsy navahan’ny HCC intsony izy ireo tahaka ny nataon’ny CENI]
ary

2.3 Tontalin’ny isan’ny MPIFIDY NIFIDY ny kandidà RAVALOMANANA :
2,060,847 (nampitomboina 8,024) na 20,78% n’ny ISAN’ny MPIFIDY voasoratra anarana TAO ANATY LISITRY NY MPIFIDY (9,913,599) ;

Rehefa atao adisinina ireo tarehi-marika ao amin’ny (2) ireo, dia manome :
7,326,661 (5,146,257 + 119,557 + 2,060,847) na 73.90 % n’ny ISAN’ny MPIFIDY voasoratra anarana TAO ANATY LISITRY NY MPIFIDY (9,913,599) ;
[74.10 %- no hita tany aloha araka ny tarehi-marika vonjy maika navoakan’ ny CENI]

Io tarehi-marika io - 7,326,661 - izany no tontalin’ny isan’ny VAHOAKA MALAGASY MPIFIDY TSY NIFIDY NY KANDIDÀ RAJOELINA tamin’ny fifidianana tamin’ ny 27 Desambra 2018 : MIHOATRA LAVITRA noho ilay 2,586,938 nifidy azy io tarehi-marika io. Fitaratra iatarafana ny famindran’ny BE AN’ISAN’ ny Malagasy voasoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy tamin’ity fifidianana ho prezidà tamin’ny 19 Desambra 2018 ity.

Raha ny fanombanana ny isan’ny Malagasy indray no itodihana - 26,628,159 tamin’ny Jolay 2018 (http://worldpopulationreview.com/countries/madagascar-population/) ,
ka ny 9/10-n’ny mponina no hoe tompon-tany Malagasy (’’More than nine-tenths of the population is Malagasy’’, https://www.britannica.com/place/Madagascar/Ethnic-groups),
dia sahabo ho 24,000,000 (efatra amby roapolo tapitrisa) eo ho eo izany no isan’ny tompon-tany Malagasy tamin’ireny fotoanan’ny fifidianana ireny.

Raha ny fanombanana ny isan’ny tompon-tany Malagasy feno 25 taona sy ny mihoatra FOTSINY amin’ny TOKONY ho NAHAZO NIFIDY no heverina (= 40.22 % ; ’’age structure’’ https://www.cia.gov/library/publications/the-world-factbook/geos/print_ma.html) dia efa mahatratra : 9,652,800, no TSY NIFIDY an’Ingahy Rajoelina, izany hoe mbola MIHOATRA LAVITRA noho ilay 2,586,938 nifidy azy izany.

Manarak’izany : Ny isan’ny Malagasy feno 24 taona fa mihoatra ny 15 taona kosa dia mitentina : 20.23%-n’ny mponina na 5,815,200. Tsy fantatra anefa na firy na firy amin’ireo no mbola tsy ampy 18 taona ka tsy afaka nisoratra ho mpifidy. FA NY AZO ANTOKA MIALOHA dia TSY MITOMBONA mihitsy ilay hoe 9,913,599 no isan’ny mpifidy fa LATSAKA BE noho ny tokony ho izy izany arak’ireo tarehi-marika ireo.

Mahatratra sahabo ho 15,468,000 (9,652,800 + 5,815,200) eo ho eo izany ny isan’ny tompon-tany Malagasy feno 15 taona sy mihoatra. Izany hoe 16.72%-n’ireo tompon-tany Malagasy ireo izany no nifidy an’Ingahy Rajoelina (2,586,938). Ary raha oharina amin’ny fanombanana ny tontalin’ny MPONINA IRAY MANONTOLO (24,000,000) kosa, dia manodidina ny 10 isan-jatony TOKOA io latsa-bato naha-voafidy an’Ingahy Rajoelina io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS