Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 03h50
 

Répondre à un commentaire

9 janvier 2019 à 17:13 | Tsisdinika (#3548)

Ho fampieritreretana ny rehetra :

Salamo 75.

Ny fahakaikin’ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany

1. Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô ; eny, hisaoranay Hianao ; fa akaiky ny anaranao ; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
2. Fa ho avy tokoa amin’ny fotoana Aho ; eny, Izaho no hitsara marina.
3. Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
4. Hoy izaho tamin’ny mpirehareha : aza mirehareha, ary tamin’ny ratsy fanahy : aza manandra-tandroka ;
5. Aza manandratra ny tandrokareo ho avo ; ary aza miteny sahisahy amin’ny fahamafian-katoka.
6. Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.
7. Fa Andriamanitra no Mpitsara ; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8. Fa misy kapoaka eo an-tànan’i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany ; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany dia hitroka ny faikany.
9. Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.
10. Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko ; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

Hita ato daholo na resaka fitsarana na kapoaka na fisandratana. Mahagaga o ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS