Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 22h03
 

Répondre à un commentaire

9 janvier 2019 à 09:00 | Ikelimalaza 2009 (#10495)

Miarahaba ny Ray aman-dreny Andry Nirina Rajoleina amin’izao fandresena miezinezina izao. Deraina manokana ireo mpikambana ao amin’ny CENI sy ny HCC namoaka ny tena fahamarinana, ianareo no tena tompon’andraikitra voalohany amin’ny fandrosoan’i Madagascar amin’ireo 10 (folo) taona manaraka. Tsy ho adinonay Malagasy ny anaranareo sy ny fijoronareo tamin’ny fahamarinana tsy voavidim-bola.

Manomboka eto dia higoka, hinana ary hankafy ny tena fandrosoana haingana (vitesse TGV) ny vahoaka malgache.
Betsaka ary tsy voatanisa ireo tetik’asa sy velirano ao anatin’ny IEM. Hiova endrika taneraka ny firenena malgache manomboka eto ary zary ho nofy ratsy sisa izany fahantrana izany.
Arak’izany dia arahabaina sahady ny malgache satria nandresy ny FITIAVANA. Vita hatreo ny fifankahalana, tantara sisa izany Marc Ravalomanana izany, izay nampahory antsika loatra nanomboka 2002 ka hatramin’ny 2009.
Niangarana mihitsy ny vahoaka malgache nahita mpitondra hendry, tanora, mpanankarena, bôgôsy ary catholique kristianina.
Hahita maso izany atao hoe building manarapenitra izany izy ireo, hahafantatra ny atao hoe tramway, hiaina ao anatin’ireo Tanàna mandroso sy moderne tsy mena mitaha amin’i Miami, New York, Costa Brava, Tokyo, Paris. Ny tsy fahandriam-pahalemana dia ho tantara sisa fa efa mati-paika ireo tetika hamonoana sy handripahana ireo dahalo fanetriben’ny firenena.
Ho ela velona anie ny ray aman-dreny Andry Nirina Rajolenina. Ianao tokoa ilay mesia antenain’ireo tambanivohitra any Belo sur Tsiribihina, Betioky, Daraina, Midongy Atsimo, Kandreho, Tsaratanàna, Namoroka, Faratsiho, Besalampy, Vavantenina, Tanandava, Maroantsetra sns sns sns

Vive La Madagascar tsy mandohalika mandrakizay !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS