Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 12h51
 

Répondre à un commentaire

7 décembre 2018 à 15:35 | arsonist (#10169)

Azo heverina fa ny antsasa-manilan’ny olombelona eto antany amin’izao fotoana andro izao dia tsy mivaky loha amin’izay hoe tokony ho arovana ity planeta ity mba ho azon’ny manan’aina hiainana hatrany.
Ny antsasa-manilan’ireo fitondram-panjakana eran-tany koa aza dia tsy mihevitra loatra izay koa, fa revo manao izay ampaharitra an-dry zareo isan’isany eo amin’ny toeram-pitondram-panjakana fotsiny no imasoany.

Arakin’ny kajy ataon’ireo mpahalala manokana ny momba ny planeta sy isan’ny olombelona eto antany anefa dia voalaza mazava fa
. izay vokatrin’ny planeta mandritra ny taona iray dia tapitra lanin’ny olombelona rehetra anatin’ny 7 volana monja ; ny 5 volana ambiny izany dia izay « tahirin’ny planeta » no kepohin’ny olombelona rehetra ivelomany
. raha ny vokatr’i Frantsa anatin’ny taona iray maninjitra aza dia volana 4 sy andro 4 monja dia tapitra lanin’ny mponina ao Frantsa daholo
. ny antsika Gasy kosa dia tsy voalaza ; kanefa moa fantatra fa kely dia kely tokoa izay vokaritsika manoloana ny isan’ny mponina eto anivon’ny Nosy.

Tokony ho ovaina ny fahazaran’ny olombelona mba hiarovana ny planeta. Raha tsy izay dia tsy ho azon’ny manana aina ivelomana intsony ity planeta ity no hiafarany.
Ka ny fampiasana solika sy ny nokleary ary ny zezika simika, mifarimbona amin’ny isa marobe loatran’ny olombelona, no mety hanimba tanteraka an’ity planeta ity.

Vitsy anefa ny olona mihevitra izay.
Isan’ireo vitsy ireo ny akamaroan’ireo gilet jaune sy ny akamaroantsika Gasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS