Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h57
 

Répondre à un commentaire

5 décembre 2018 à 11:36 | Eloim (#8244)

Raha misy fahadisoana avy amiko noho ny fitavozavozana amin’ny tsy fifehezana ny taranja dia aoka hiverina amiko ihany. Izao mantsy : inona marina ity atao hoe « vérité de prix ity ? » Ny fahaizan’ny mpahay toe-karena mamaly izany mantsy no tena ahitana ny fototry ny tena fampahantrana antsika malagasy. Amiko tsy tokony valin-teny teknika momba ny toe-karena no homena fa kosa valin-tena mampiseho ny tontolon-toe-karena misy eo amin’ny firenena ka hametrahana manandrify azy ny karazam-bidy samihafa fa tsy fanaraha-drenirano be fahatany satria izao sy izao.
Ohatra tsotra no omeko ary iainanay aty amin’ny tany lazaina fa mandroso ary eto amin’ny renivohitry Lafrantsa. Niakatra tsy toy inona akory ny vidin-dasantsy @ ankapobeny ny salanisa dia eo @ 1,5 Euro/l , isan’ny anton’ny korontana miteraka fahapotehan-javatra maro eo amin’io firenena io. Lasa raharaham-pirenena GOAVANA BE izany KORONTANA izany ary hisy fiatraikany amin’ny fiozongozon’ny sezan’ny Filoha aty mihitsy izany.
Raha oharina nefa ny karama salasalany (kilasy salasalany) aty dia eo ho eo amin’ny 2.000 - 2.500 Euro isam-bolana. Raha mameno rezervoara na 60l ianao dia 90Euro no laninao aty.
Raha any Dago kosa, 1Euro=4000Ar, ny 90 Euro=360.000Ar. Moa va re tsy salan’isan’ny karama salasalany any Dago io (karama salasalany ho an’ny kilasy salasalany dia eo amin’ny 400.000 - 600.000Ar). Raha ampitahaina ireo dia tsy misy mipetraka intsony izany ny karama hoan’ny olona mitovy kilasy aty sy any Dago - nefa ilay atao hoe « vérité de prix » no itovizan’ny lanjam-bidy ampisaina eo amin’ny firenena roa tonta.
Raha io ohatra tsotra io ary no jerena dia : tokony hampiharina ve izany io « vérité de prix » io sa ampiharina anjambany fotsiny tsy mifanaraka akory ny seha-toe-karena misy eo amin’ny tany mandroso sy ny tany mahantra ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS