Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 21h29
 

Répondre à un commentaire

5 décembre 2018 à 10:21 | arsonist (#10169)

Efa nolazaiko mazava sy naverimberiko imbetska teto fa
kandidàn’ny Katolika sasany (fa tsy izy rehetra akory) i lapinou !

Ho hitanao mazava antsary sy andahatsoratra ny momba io
ao amin’ny « Midi Madagasikara » miseho androany.

Ny lohateny dia hoe : « Andry Rajoelina : le candidat n°13 en pôle position ».

Dia lazao indray ary fa izaho, arsonist, no namorona io hoe « kandidàn’ny Katolika i lapinou » io !

Ny tena nolazaiko aza dia hoe :
kandidàn’ny katolika ankolafin’ny mpanaraka an’i OMAR i lapinou,
fa tsy an’ny katolika rehetra akory.

Ity OMAR ity manko dia mpiandàny tanteraka amin’ny foto-kevitr’i Rémi Ralibera,
izay tamin’ny fahavelony dia talen’ny gazety « Lakroan’i Madagasikara »,
izay natonta tery Ambozontany tery amin’ny tanàna ambony any Fianarantsoa tery.
Ka i OMAR no Vicaire Général tao Ambozontany tao tamin’izany.
I Ralibera kosa dia akaman’i Deba.

Samy tsy nahazoazo loatra ny œcuménisme nilofosan’itompokolahy Razafindratandra (kardinaly) ireo pretra roa lahy (Ralibera sy OMAR) ireo tamin’izany.

OMAR moa dia iaraha-mahalala fa fozaorana.
Ka izy no nampindrana ny tranon’ny Katolika tery Antanimena nanaovana ny dingana iray lehibe tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.

Tsy nataon’ny Vatican kardinaly lery noho izany fihetsiny izany.
Ka dia olon-kafa tsy nisy nanam-po tery no lasa kardinaly .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS