Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h10
 

Répondre à un commentaire

5 décembre 2018 à 09:41 | arsonist (#10169)

Sitra-ponao mpamaky io raha toa ianao manohy ny famakiana ity lahatsoratro ity.
Tsy misy manery anao hamaky azy ’ty akory eo.
Raha mora entim-po dangitra ianao, kanefa manohy mamaky azy ’ty, dia sitra-ponao izay.
Tsy te-hamaky ianao dia « tsy misy quoi » akory izay.

Io fisondrotam-bidin’ny solika io no nampipaoka izao korontana any Andafy izao.

Aiza marina ary izany demokrasia izany ?
Ary aiza koa izany tany tan-dalàna izany ?
Tsy maintsy miaraka ve izy roaroa ireo ?
Sa ve afaka apiharina ny iray, kanefa tsy mihatra akory ilay iray hafa ?

Ny demokrasia aloha no asiako resaka izao. Fa izay heveriko fa tany tan-dalàna dia tsy asiako teny aloha androany.

Misimisy ihany ireo Gasy sahy milaza fa mihatra (na koa efa nihatra) eto Madagasikara hono ny demokrasia.
Kanefa na inona fihevitra izany demokrasia izany, na inona, dia
. tsy endrikin’ny demokrasia velively mihitsy akory ireny fomba fanonganana fanjakana tamin’ny taona 2009 ireny
. tsy fapiharana ny demokrasia eto antoerana velively mihitsy koa ireny fisakanan’ny ministrin’ny Raharaham-Bahinin’ny firenen-kafa iray ireny, izay tsy namela tera-tany notondroiny anarana ilatsaka ho fidiana filoha tamin’ny taona 2013 ireny.
Toy ny zaza tsy ampy taona ny fandraisan’io firenena vahiny io ny firenena gasy tamin’iny fisakanana nataon-dry zareo iny.

Amin’izao fotoana anoratako izao, ny mpomba an’ireo olona anankiroa sisa tavela ho fidiana filoha izao ireo dia samy milaza fa demokrasia hono izao mitranga eto Madagasikara izao.
Hay ve ! na dia tsy nandray anjara tamin’iny fihodinana voalohan’ity saritsarim-pifidianana filoha ity aza ny antsasa-manilan’ny Gasy tonga taona, dia mbola demokrasia ihany ny miseho e !

Ireo fozaorana mpomba an’i lapinou tonga mitsidika ity serasera ity indray dia sahy mitsara ankitsirano izao fa tsy demokrasia hono ny fomba fitondram-panjakana misy any Shina sy any Rosia amin’izao fotoana izao. Hay va re !

Raha arakin’ny fihevitrin’ny firenena matanjaka tandrefana dia demokrasia no misy any amin-dry zareo Tandrefana. No sady koa kianin-dry zareo ny misy any Shina sy Rosia.

Tatoato anefa dia sahirakirana ny sasany amin’ireo firenena tandrefana milaza tena ho demokrasia, manoloana ny vokatrin’ny fampiasàn’ny mponina any amin-dry zareo an’itony karazan’ny antsoina hoe facebook sy tweet itony.
Ny fomba fifidianana hanendrena izay olona ho mpampihatra sy mpiandraikitra ny fahefam-pitondram-panjakana moa dia endrikin’ny demokrasia.
Raha ny fahitako azy anefa taoato dia toa niteraka disadisa any amin’ireo demokrasia tandrefana ireo ny voka-pifidianana tany amin-dry zareo.
Satria toa mifanohitra amin’izay tadiavin’ny mponina ny fihevitr’ireo mpitondra voafidy.
Raha ny fahalalako azy dia toa izay no mitranga izao any USA, UK, Germany, Italy, France, Austria, Spain.
Dia izao misy disadisa izao any amin-dry zareo Tandrefana ireo.
Ka asa izay ho fiafaràny !
Ry zareo Tandrefana anefa dia manan-karena sady efa mandroso.
Ka ho tafarina ihany ry zareo.

Fa isika Gasy mpaka tahaka bontolo kanefa mihevi-tena ho tena fetsy ity no asa !
Kanefa isika, sady efa mahantra fadiranovana, no mbola isan’ny gisitra amin’ny fahalalàna koa.
Ka asa raha ho tafarina, na hitohy hikorosy fahana tahak’izay nitranga tanatin’izay 60 taona mahery lasa izay isika ’ty.
Ka asa re izay ho fiafaràntsika ’ty !

Demokrasia e ! Demokrasia !
Ka demokrasia ahoana sy demokrasia toy inona e ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS