Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h36
 

Répondre à un commentaire

9 novembre 2018 à 14:50 | Ibalitakely (#9342)

Fa ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny dia mora manadino, mba tsy ilazana hoe voan’ny zeimera. Ireto misy ohatra vitsivitsy :
-  Nahongana RATSIRAKA D.I ny 1992 fa hoe nanimba tanteraka ny firenena [investissements à outrance ; nationalisat° suicidaire des sociétés d’autrui ; FNDR, CSR, DGID, AREMA, SEREMA, VAREMA, COPAREMA, PROCOPS TSAKY POP sns. Tao koa ny hoe maro loatra ny olona na tsy hita na nogadraina tahaka an-dry Cne RAKOTO Abel, RAMAROSON André, Cel Rasomotra …, ny raopilan’ny tafika mianjeranjera etsy & eroa. Tonga anefa ny 1997 dia adino daholo izany rehetra izany dia naverin’ny vahohaka Malagasy tao Mavoloha indray izy.
-  Ny 2002 indray vao tonga saina t@ hoe Madagasikara vaovao [ny dikan’ny AREMA fotsiny no lasa niova vaovao] dia nesorina teo indray izy [rehefa tsy nety niaraka taminy intsony ny tafika na dia sady chef suprême des armées & le plus ancien dans le grade le plus élevé ka lasa niankin-drindrina irery tany Ambodiatafana & namorona milisy sivily tsy ara-dalàna & nitsaoka tany Neuilly sur Seine ny afarany].
-  Tonga koa ny 2009, izay ny cd nalefan’i Deba tao @ télé viva ihany no afo nampitselatra ny vanja, dia adino ihany koa i RATSIRAONANA Norbert Lala nivarotra ny tranom-panjakana nefa tsy nisy nasolony azy ireo velively, ity farany izay mbola nanosika/nanolon-tsaina an’i Andry tgv nanongana fitondrana.
-  Dia izao 2018 izao indray izao dia adino ity farany t@ Ambohijatovo nataony kianjan’ny kirimôzena, ny fampanantenana ny vary Ar500/kilao, ny kianja manaraka penitra Makis Andohatapenaka, ny tsy ananako Havana ny bdr, ny Soalala lasan’ny Wisco sns. Adino ihany koa ny maha vazaha ara-ttsy azy, izy rahateo im-polo isan-taona fara faha keliny no mivezivezy any Frantsa & ny zanany izay mbola kely avokoa mipetraka any efa ela, dia raha tsy voalohany dia faharoa @ ity fifidianana 2018 ity. Any ka betsaka ny … manadino ny tanintaranaka & ny taranaka tanteraka amin’izao vely rano, vely aponga, vely kobay izay afafy miaraka amin’ny vola be izao … , adino ihany koa hoe ho honerany aiza amin’iza daholo ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS