Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 10h52
 

Répondre à un commentaire

10 novembre 2018 à 22:21 | lysnorine (#9752)

@ arsonist 10 novembre (2018) à 12:33 répond à lysnorine

« Bénéficie-t-il aussi du soutien US, comme en 2001-2002 ? »

Tsy nanohana an’Ingahy Ravalomanana velivelively i Etazonia tamin’ny 2002, fa Ingahy Ratsiraka no notohanany, tahaka ny nataony hatramin’izay ihany : na nandritra ny andron’ny Boky Mena sy ny Tolom-piavotana aza, dia NITSIMBINA foana an’Ingahy Ratsiraka sy ny fitondrany ny pôlitikan’i Etazonia ; tsy nisy « famaizana » na toa inona na toa inona na fandrarana isan-karazany nampihariny taminy fa vao mainka aza nandroso ny fifandraisany eo amin’ny resaka « business » (ohatra ny fampisamboran’ny Exim-Bank vola hividianana ny Boeing 747, ny firoborobon’ny fanafarany lavanilina, sns., sns.).

Aoka tsy hohadinoina eto [ na dia maro aza ankehitriny no tsy mety mahatakatra izany fa mbola jamban’ny kabary-SINEMA fanenjehany an’i Frantsa sy fifandraisany tamin’ny Fanjakana kômonista ! ] - fa :
I GISCARD D’ESTAING , prezidàn’i Frantsa nandritra izany fotoana izany (1974-1981), izay NAMPAKATRA an’Ingahy Ratsiraka teo amin’ny fitondrana dia ilay antsoina hoe « ATLANTISTE » hiringiriny :

« L’atlantisme désigne aussi l’attitude politique, l’opinion, la doctrine de ceux qui font du Traité de l’Atlantique Nord (OTAN) la base de leur action extérieure et qui, au nom de ces principes, s’alignent de manière plus ou moins systématique, idéologique sur la politique extérieure des Etats-Unis qu’elle soit entièrement justifiée ou totalement infondée, ce qui arrive parfois. » ; zahao Guillaume Berlat, « L’atlantisme : Une passion française » : NOTOHERIN’ny jeneraly DE GAULLE sy ny « Gaullisme izay nalevina tanteraka taorian’ny nahafatesan’ny prezidà Pompidou tamin’ny 1974.

Ho takalon’izany « Atlantisme » izany, dia : na oviana na oviana, TSY NIFANIPAKA na HIFANIPAKA, amin’ny pôlitikan’i Frantsa mikasika ny tany Afrikanina zanataniny taloha ny pôlitikan’i Etazonia na « Repoblikanina » na « Demôkraty » no eo amin’ny fitondrana.

Ohatra kely azo itarafana ny fanohanan’i Etazonia an’Ingahy Ratsiraka tamin’ny 2002 :

1) ny 16 Janoary 2002 dia nanendry ny ambasadôrony vaovao eto Madagasikara - Rtoa Wanda NESBITT ny prezidà George W. Bush ;

2) Dieny ny 26 Janoary 2002 (Asabotsy io andro io) dia nanolotra ny kôpian’ny taratasy maha-ambasadaoro azy (copie figurée de ses lettres de créances). tamin’dRtoa Ratsifandrihamanana, ministry ny Raharaharam-bahin’Ingahy Ratsiraka, i Rtoa Nesbitt ;

3) Ary dieny ny Alatsinainy 28 Janoary 2002, dia nihaona tamin’Ingahy Ratsiraka teny Mavoloha izy mba hanolorany azy ny taratasy maha-ambasadaoro azy (lettres de créance).

Torak’izany ihany koa tamin’ny 2009 !
Efa nasehonay teto ihany ny tatitry ny resaka nataon’ny ambasadaoro Amerikanina Marquardt, tamin’Ingahy Ravalomana izay niantso azy hihaona taminy tany Afrika Atsimo tamin’ny 22 Jona 2009 (avy amin’ny Wikileaks) :

’’ Summary : In a meeting with the ambassador in Johannesburg on June 22, former president Marc Ravalomanana requested USG help with his desired return to Madagascar and stressed the key role he must play as head of state in returning the country to « constitutional order ». The ambassador responded that SUCH ASSISTANCE FROM THE USG WILL NOT BE FORTHCOMING , and advised him instead NOT TO RETURN to Madagascar for now, and EVEN to consider returning AFTER THE NEXT ELECTION ...

’’Ravalomanana’s message to the ambassador was that he wishes to return to Madagascar to resume his previous role as head of state and seeks USG assistance in making this happen...Ravalomanana expressed SURPRISE (!) that the ambassador was, he had heard, OPPOSED TO HIS RETURN...

"He should UNDERSTAND that the USG therefore will not provide such assistance..’’

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS