Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 14h26
 

Répondre à un commentaire

9 novembre 2018 à 10:48 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 8 novembre (2018) à 14:32
« Vu ces premières tendances, je me pose la question : ’’Pourquoi tant de haines et de passions ? ’’ ».

Tsy sarotra angamba no mamaly izany fanontanianao izany :

Nitongilana nankany amin’i SININA ny pôlitikan’Ingahy prezidà ka noteren’i FRANTSA sy ny LONGONY tao amin’ny ’’communauté internationale ’’ ny « Andry faha-dimin’izy ireo » hively amponga amin’ny fanenjehana azy befahatany, tsy misy fiatoana - na mitombona na tsy mitombona.

Ampy ahafantarana azy ireo ny lisitry ny antoko sy mpanao pôlitika rehetra nirotoroto avy hatrany naneho ny fanohanany ny kandidà Rajoelina - kandidàn’i Frantsa - na dia mba naniry ny hirotsaka ihany aza ny maromaro tamin’izy ireo ! Nanipy teny ihany koa izahay teto tamin’ilay fitsanganan’ny vondrona « Voromahery » hanohana an’Ingahy prezidà :

lysnorine 13 août 2918 à 08:38, « Déjà trois ex-HVM dans la course à la magistrature suprême » samedi 11 août 2018
« Cheval de Troie »

« Fa ny tena mba tiako ho nisongadina tamin’ilay post satria nahavariana ahy — ary noheveriko koa fa avy hatrany dia nanintona ny sain’ny mpitazana hafa rehetra — dia ny FIAVIAN’ireto ’’Voromahery’’ ireto, eo amin’ny lafiny pôlitika izany, dia ny antokon’ny kandidà iray hifaninana amin’Ingahy prezidà, dia - Ingahy Rajoelina izany. Koa fanoharana ny « Voromahery » amin’ilay ’’Cheval de Troie’’ , hafetsena nidiran’ny Grika tao Troie ka nandreseny ny fanjakana tao rehefa tsy nahomby ny nanaovany azy fahirano nandritra ny folo taona no tonga tao antsaiko niaraka tamin’ilay ohabolana hoe : ’’Ny hitsikitsika natao hivavahana no zary voromahery nipaoka ny akoho’’ »

Hoy izahay tamin’ny 2017 :
« lysnorine 6 avril 2017 à 09:35 ; ’’Claudine Razaimamonjy impliquée dans plusieurs affaires douteuses’’ », mercredi 5 avril 2017 » ;
« @ kartell 5 avril à 12:53, ’’
« kartell (#8302) répond à rayyol ^
« ’’Cette histoire de BIANCO est COUSUE DE FIL BLANC car POURQUOI, AUJOURD’HUI, et POURQUOI CLAUDINE et pas les commanditaires du trafic de bois de rose, d’or et autres pierres précieuses, ect ?…" »

« Miharihary ohatry ny masoandro mitatao vovonana ny maha-resaka fampandriana adrisa tokoa ity fisamborana an-dRtoa Claudine ity !...
[ lysnorine 6 avril 2017 à 09:35 ]

« Raha hiverenana ilay fanontaniana dia mbola mazava tsara fa ny pôlitikan’Ingahy prezidà hampifandray bebe kokoa an’i Madagasikara amin’i SININA no nahadodona an’i Frantsa sy ny longony hibaiko ny « andriny faha-dimy », hisambotra an-dRatoa Claudine hanozongozonana ny fitondrana sy mba tsy hahatontosana ny fifanekena vao nifanarahana. Kendreny ny hampisavoritaka ny ao amin’ny governemanta sy hampitahotra ny mpiara-dia amin’Ingahy prezidà mba AMPADAMOKA NY FANOMANANA NY FILATSAHANY HO PREZIDÀ. Araky ny fomba amam-panao mahazatra azy ireo, dia raha mbola mikiribiby amin‘ireo fifanarahana amin’i Sinina ireo izy dia harosony indray aloha ny olony ao amin’ny TAFIKA sy ny ZANDARIMARIA HANONGAM-PANJAKANA rehefa hitany mety tsy hotafita izay kandidàny raha HAROSO ny FIFIDIANANA ho prezidà. Farany dia tsy hisalasala akory izy ireo HAMPANAJEDAKA* fotsiny an’ Ingahy prezidà !
(Hotohizana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS