Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h51
 

Répondre à un commentaire

7 novembre 2018 à 13:31 | RAMBO (#7290)

Lu ailleurs.
L’idée de Rajoelina de mettre une puce électronique dans les zébus pour lutter contre les vols de boeufs est bonne mais c’est Rivo Rakotovao en tant que Ministre de l’Elevage qui l’a déjà expérimenté avec un Startup 100 % Gasy.
Nalaza tato ho ato ny fametrahana « puce » amin’ny omby hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ireo dahalo. Vao naheno izany ny orinasa Genuis Technology Company (GTC), tompon’ny tetik’asa dia nivoaka tamin’ny fahangigina. Izany hoe, tsy mbola nisy ny resaka nifanaovana tamin’ny tetik’asa nefa ahely manerana ny Nosy ao anatin’ny fandaharan’asan’ny kandida iray hilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena izany. Raha ny fanamarihan’ny orinasa GTC dia ahiana ho mpikaroka niaraka tamin’izy ireo tany aloha no nivarotra ny tetik’asa. Izay karazana mangalatra satria ny GTC no tena tompony.
“Namana mpikaroka teo aloha niaraka taminay nanao fikarohana no ahiana nanaparitaka ny fikarohana. Marihina efa tamin’ny 2010 no nanao fikarohana izahay ary efa natolotra ny ministera tompon’andraikitra izany. Tamin’ny taona 2017 niverina nampanantsoin’ny ministera hanao fampahafantarana indray ny GTC ary ny 2018 izahay vao nahazo valiny. Ity taona ity no atomboka ny fampiasana ny “puce electronique » ary nanapa-kevitra izahay niaraka tamin’ny sampam-pikarohana ara-panjakana sy ny oniversite ary lehibe fikarohana hafa hanatsarana ny voka-pikarohana efa vita teo aloha mba hanandratana ny voka-pikarohana malagasy. Ny volana septambra 2018 no nivoaka ny “appel a manifestation d’interet » voalohany mahakasika ny « puce electronique » niantsoana ireo rehetra efa nanao fampahafantarana. Ny alatsinainy teo no voantso hamaly ny “dossier d’appel d’offre » mikasika io « puce » io izahay”, hoy i Rakotoarisoa Jean Luc, tompon’andraikitra ny serasera ny orinasa GTC.
Tsara marihina ihany fa tsy zava-baovao ny tetik’asa efa hatramin’izay satria efa tamin’ny andron’ny Rakotovao Rivo tao amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Ny volana septambra lasa teo kosa no nanaovana handrana tamin’ny omby roa alina, tany amin’ny faritra vitsivitsy tena hanjakan’ny halatr’omby izany. Ity « puce electronique » moa dia voka-pikarohana malagasy nampitondraina ny anarana « omby madio ». Karazana karapanondro omby. “Miditra amin’ny vavon’omby ary marihina fa mizara efatra ny vavon’omby ka ao anatin’ny mason-tantely na “tripe” no mijanona. Misy batery ary maharitra 7 taona satria rehefa feno 7 taona ny omby mankany amin’ny “abattoir”. Tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny omby”, hoy kosa indray ny fanazavan’i Dr Veterinera, Andriamparany Hobisoa.

Laurena Nany Gazety TRIATRA 06 /11/ 2018

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS