Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 16h31
 

Répondre à un commentaire

5 novembre 2018 à 16:20 | Tsisdinika (#3548)

Ry Malagasy havana ato amin’ity serasera MT ity, misy fampisaintsainana kely ity ho antsika momba ny fifidianana hatrehantsika afaka andro vitsy.

Tahaka ny ankohonana rava trano isika Malagasy ankehitriny ary mitady olona hifanampy ary hitarika amin’ny fanorenana izany trano fonenana izany indray.

Maro no tonga nanolo-tena sy nilaza fa mahavita. Samy namelabelatra izay fomba fijeriny sy ny fomba hitondrany ny raharaha ny tsirairay.

- Ny anankiray milaza fa mila iverenana haorina avokoa izay efa nisy teo aloha ary manomboka amin’ny fototra izany. Nambarany fa satria voafetra ny ara-bolan’ity ankohonana ity dia tsy maintsy izay tena ilainy aloha no homena azy. Raha efitra 3 ohatra no teo dia iny no averina fa tsy hoe atao 9 avy hatrany. Ny olona noana hoy izy tokony hatao izay hahavoky azy aloha hampody ny ainy na dia sakafo tsotsotra efa nahazatra ihany aza, dia homena fintana izy hiasany ny fivelomany, fa tsy hoe hampanantenaina hanimpitoloha avy hatrany izy nefa tsy hahita mangazo tapa-kibo akory avy eo. Mila miasa mafy anefa isika hoy izy hahatongavana eo amin’ilay dingana efa tratra teo aloha fotsiny aloha nefa tsy ho moramora izany, ho betsaka ny fihafiana ary ho sarotra ny làlana. Mila ezaka avy amin’ny tsirairay io ary tsy ho vitan’olon-tokana. Bekotro maro holatra nisetra fiainana io lehilahy miteny io ary efa nahita fahombiazana nefa nahavanona hadisoina koa tamin’ny asany ka nahazo lesona ny amin’ny lalan-kizorana. (Mpanao ronono an-tavy ihany koa mantsy izy tamin’ny fotoan’androny ary naherisetra tao Ambalandratrema tao nefa namela soa kely tsy voafafa kosa tao Ambalambahoaka). Raha fintinina dia fanahy no vinavinain’ity olona ity hoentina hanorenana ny rava.

- Ny anankiray indray tsy nihambahamba niteny fa raha izy no voafidy hanao ny asa, ny tranobongonareo io tompokolahy sy tompokovavy dia hataoko lapasoa feno jiro tsy mena-mitaha amin’ny an’ny vazaha ary ao anatin’ny fotoana fohy. Izaho hoy izy jerena. Tanora aho sady manana. Hataoko tahaka ny fiainako ny fiananareo hoy izy. Tsy mbola tsaroako nanao hadisoana izany aho izy ka mahazo matoky ianareo fa tsy hivoana mihitsy ny tanjona rehefa izaho no manao azy. Indro efa vita planina sy sary ny tokony hatao hoy izy ka alaovy sary an-tsaina fa ho tanteraka ny nofinofinareo. Revo ny rehetra nihaino ity tovolahy efa nahazoazo taona ity fa mahay mandahatra izy sady nohaingoiny feon-tsodina sy amponga ny famelabelarany. Tsy matahotra ny ho resy izany aho hoy izy amin’izao fampitaha izao satria efa tompon-daka in-dimy fahiny tamin’ny haiady japoney na dia tsy dia misy idiran’ny fahaizana « mawashi geri » sy ny daka mihodina aza ny fanilihana ny faharavana mihatra. Efa nitarika fanorenana ihany ka tsy maintsy natomboka tamin’ny fandravana aloha izany hoy izy saingy tsy tafaverina vita tsara ilay izy satria tsy tena izaho no tompon’ny sehatra satria nisy olon-kafa nitsivalam-pandry, ary avy eo somary tsy nifanaraka izaho sy ilay iraikalahy nanankinako ny tohin’ny asa dia lasa aho aloha nanarina tany ivelany samirery nandritra ny dimy taona. Tsy misy hadisoako mihitsy izany raha atao bango tokana tompoko o. Raha fintinina dia sandry sy hery no vinavinain’ity ramose lehilahy ity hahavitana ny asa.

- Ilay mpisolo toerana voalaza teo aloha kosa dia tsy nanao be fiavy fa zara raha nahaloa-peo. Tsy hitahita koa izy satria niletsy kely ilay vy miaina nanentana azy hatramin’izany. Nesorina taminy mantsy ny fitantanana ny asa an-dalam-panatanterahana efa natombola tamin’ity trano rava ka dia toy ny very fanahy mbola velona ihany ny anao lahy. Mbola any aminy anefa ilay fanalahidy goavam-be ka tsy hay mihitsy izay kononkononiny ao ambadika ao.

- Ny hafa indray dia nanambara fa tsy mbola nanao na inona na inona amin’izany fanorenana izany izy fa dia matokisa fotsiny fa izahay, hoy ihany izy nanohy, tsy iza fa olom-baovao. Nilaza zavatra be dia be tsy nisy niditra ny sain’ireto olona rava trano koa izy ireo satria hitan’ireto farany fa sarotra ny hanankina ny asa amin’ny olona tsy ampy traikefa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS