Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 23h16
 

Répondre à un commentaire

13 octobre 2018 à 11:20 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Mahafinaritra ny ezaka sy ny finiavana asehonareo ao amin’ny rafitra TI, efa dingana iray aloha izay fa tokony asiana fanampiny.

Asa raha mety aminareo ao amin’io rafitra io, heveriko fa tsara ihany koa ny mba mametraka fanontaniana eny amin’ireo orinasa mpivarotra sy mpampanofa fiara tsy mataho-dalana ireny hoe iza daholo ireo mpilatsaka hofidiana na ny mpanohana azy ireo efa nividy na nanofa fiara tao aminy.

Mino aho fa ho azonareo atao ihany koa ny manontany ireo koperativa mpitatitra izay mitaona ireo olona hanatrika ireo lanonana famoriambahoaka.

Mirary fahombiazana ho anareo ao amin’ny TI.

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS