Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Répondre à un commentaire

12 octobre 2018 à 13:15 | Isandra (#7070)

Ireto zanak’i Dada ireto no tena manendrikendrika, fa nangalatra Rajoelina, kanefa ny fangoronana nataon’i Dadan-drizareo no nahatonga ny olona hirohotra hangataka ny fialany. Mierirtreritra rizareo fa handino izany. Ireto izao santionany fotsiny.

Ravalomanana Marc : 1 900 miliara no volam-panjakana nahodinkodiny

Publié le 17 septembre 2018 LGDI

Ny tantara tsy mba fanadinoina hoy ny fitenenana. Ny minisitrin’ny vola Benja Razafimahaleo izay minisitry ny tetezamita tamin’ny 2009, dia namoaka ampahibemaso ny fanodinkodinam-bola nataon’ingahy Marc Ravalomanana nandritrin’ny 7 taona nitondra ny firenena 2001-2008. Voalazany tamin’izany fa ireo minisitra sy tompon’andraikitra ambony aram-panjakana teto Madagasikara no niray tsikombakomba taminy tamin’izany. ny filazana dia nataon’ingahy Benja Razafimahaleo minisitrin’ny vola tamin’ny toana 2009 tamin’ny andron’ny tetezamita taona voalohany ary navoakan’ny gazety maro teto Antananarivo tamin’izany fotoana izany.

Ny Groupe Tiko dia voalaza fa ananan’ny fanjakana vola mitentina 25 miliara ariary noho ny fadin-tseranana tsy naloany. Izany dia noho ny fampidirany menaka teto Madagasikara hoan’ity orinasa ity.

Ny 60 miliara ariary vola tsy naloany tao amin’ny Seranan-tsambo tao Toamasina mahakasika ilay fanorenana orinasa iray nataony tao koa hoan’ny Toko.

70 miliara ariary no vola tsy naloany tao amin’ny trano fiantohana Aro izay miampy 32, 5 miliara koa mifandray amin’izany tany amin’ny seranan’i Toamasina.

Ny tetim-bidin’ny fiara kamiaô avy tamin’ny OTAN izay voalazan’ingahy Benja Razafimahaleo minisitrin’ny vola tamin’izany fa mbola ao anatin’ny bokim-panjakana nefa tsy naloan’ity filoha teo aloha ity koa.

Isan’ny vola be tamin’izany koa ny mahakasika ny fividianany ny fiaramanidina “Force one” , izay nampiasany hoazy, izay mitentina 60 miliara sy 114 miliara ariary

Rehefa tonga koa ny krizy 2009 iny dia mbola naka vola tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana ihany ingahy Ravalomanana Marc ny faha 25 febroary 2009 sy ny 3martsa 2009 izay mitentina 54 miliara ariary avy ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany tamin’izany andro izany. Io no vola nataony famonoana afo sy fafikatra tany amin’ny mpomba azy tamin’izay nanaovany asa fampihorohoroana sy nanakaramana milisy. Mbola nisy koa vola mitentina 12 miliara ariary nanomanany ny diany hiatrika ny fivorian’ny firaisana afrikanina izay tsy mazava ny antony nandaniany azy.

Raha ny fanambarana nataon’ny minisitra Benja Razafimahaleo tamin’io fotoana io fotsiny dia nahatratra 1 900 miliara famg na 392 miliara ariary no vola ananan’ny fanjakana Malagasy amin’ingahy Ravalomanana Marc hatramin’izao fotoana izao.

Ny fahitana io raharaha io no isan’ny nahatonga ny FMI sy ny tahirimbola iraisam-pirenena tsy hamatsy vola an’i Madagasikara ny faran’ny taona 2008 ka isan’ny nahatonga ny krizy 2009.

Izany no tsara ho fantatra amin’izao fotoan izao ka samia misaina isika amin’izao filatsahany hofidina izao indray.

JB

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS