Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 07h40
 

Répondre à un commentaire

12 octobre 2018 à 13:06 | Vohitra (#7654)

Miarahaba Tompoko,

Ny halatra sy hosoka dia amin’ny ankapobeny amin’ny vanimpotoana mialoha ny latsabato no tena mitranga.

Etsy andaniny, ny vahoaka misary adala mbola matahotra zandary sy olompanjakana dia manamora ny fisandohana ny safidy.

Efa mba noheverina ihany koa ve ny fanisana ny ambin’ny bileta tokana tsy nampiasaina nandritry ny latsabato ka miparitaka isaky ny biraom-pifidianana ?

Dia ahoana moa izany izao ny mikasika ireo andian’olona mifindrafindra monina manaraka ny fitsirin’ny ahimaitso mitondra ny omby aman’ondry ireny, sa efa misy birao mifondrafindra ihany koa ?

Farany, efa mba voamarina avokoa ve ny toerana sy ny fisian’ireo 24.000 biraom-pifidianana ?

Mankasitraka Tompoko

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS