Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 15h59
 

Répondre à un commentaire

13 août 2018 à 08:13 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 11 août (2018) à 19:29 répond à benantsa ^
« Lysnorine
« Evitons de diaboliser les padesm...ce sont des Gasy comme vous et moi. ».

Angamba ireto famintinana ny votoatin-kevitry ny Padesm araka ny novelarin’ny mpanorina/mpitantana azy tao amin’ny laharana voalohany tamin’ny gazetiny « Voromahery » tamin’ny 6 Aôgositra 1946 no antsoinao hoe « diaboliser les padesm » :

« [ Laharana voalohany natao ho fankalazana manetriketrika ny faha-dimampolo taonan’ny lalàna frantsay tamin’ny 6 Aogositra 1896 nanambara an-keriny ny maha-zanatany frantsay an’i Madagasikara sy ny nosy miankina aminy, fisaorana eram-po eram-panahy an’i Frantsa reny malala amin’ny hoe nanafahany ’’ny Maintienindreny sy ny karazany ary ny tanindrana rehetra eto Madagascar’’ tamin’ny fanandevozana faha-Fanjakana malagasy, ary fanoherana ny fitakiana ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara izay tsy inona tsy akory fa fikendrena fotsiny ny famerenana izany fanandevozana izany]. »

Tsy mazava amiko loatra ny hanombohanao izany hoe « diaboliser les padesm » izany ny fampahatsiahivako kely fotsiny ny TSANGAN-KEVITRA nijoroany sy narovany arak’io lahatsorany io.

Ny tsy voalazako angaha dia ny hoe : tsy zava-baovao tsy akory izy io fa fanaovana tsianjery sy famerenana ny prôpagandy fanenjehan’ny fanjakana frantsay sy ny kôlônialista ary ny « Eglizy »(na katôlika na prôtestanta, ny Mission Protestante de France indrindra indrindra) ny depiote Ravoahangy sy Raseta raha vantany vao nofidin’ny Vahoaka Malagasy izy ireo tamin’ny 18 Nôvambra 1945, hangataka ny fiverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Raha misy diso sy tsy marina na lainga foromporina amin’ireo voalazako ireo — izay mora hamarinin’izay rehetra liana ny handalina ny tantara — dia tsara raha mba tanisainao mazava daholo. Mety mahasoa ny taranaka amin’izao fotoana izao sy ny ho avy ihany koa ny FAMPAHATSIAROVANA azy mandrakariva — FA TSY NY FANAFENANA AZY AKORY — ny hoe :
NISY tokoa — sady mbola misy ankehitriny ary tsy vitsy tsy akory — ny MALAGASY manana fisainana aman-kevitra tahaka ireo NASANDRATRY ny Padesm ireo tao amin’io laharana voalohany tamin’ny gazetiny « Voromahery » io.

Mazava koa amin’izay mamaky azy tsara fa tsy misy fanehoan-kevitra avy amiko na tapìny iray akory aza ao anatin’ilay « post » ka mitsara ny padesm na manao azy tsy ho Malagasy. Noho izany, araka ny fandraisako ny fanazavàn’ny rakibolana frantsay ny matoanteny hoe « diaboliser » :

« Considérer, présenter QUELQU’UN , QUELQUE CHOSE comme DIABOLIQUE. »
http://www.larousse.fr/dictionnaires/francais/diaboliser/25123?q=diaboliser#430630
« Emploi : Ce verbe ancien (diabolisé, transformé en diable, est attesté au XVIe s.) a été remis en usage par le langage journalistique et POLITIQUE au sens de ’’faire passer pour le DIABLE’’ : un pouvoir autoritaire qui diabolise ses opposants.]

dia :

Tsy mitombona loatra ny nampiasanao azy hamaritana io fampahatsiahivana ny TANTARA nataoko io raha tsy hoe FASITARA fanaratsiana fotsiny (nasesiky ny fanahin’-tSatana !) angaha no narosoko.
(Hofaranana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS