Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h48
 

Répondre à un commentaire

8 août 2018 à 16:45 | lysnorine (#9752)

@ratiarison 8 août à 13:02 ,
« Diploma fandaniana andro... aoka koa...tsy ho VOAREBIREBY izay CEPE tsy hitondra mody... »

Mitombona izany fanakianana izany :

Tsy ny fahazoany sy fananany ny TARATASY mari-pahaizana CEPE misy ankehitriny mihitsy no miantoka fa hihatsara kokoa noho ny tsi-fananana azy ny « ho avin’ny zaza malagasy », ny zanaky ny SARAMBAMBE-BAHOAKA MITRONGO VAO HOMANA, BE AN’ISA ETO AMIN’NY FIRENENA. Izany hoe ho tsara kokoa ny ho antom-pivelomany sy ny fari-piainany rehefa manana io taratasy mari-pahaizana io izy.

Fandaniam-bola sy andro ary FAMITAHAM-BAHOKA tokoa ny fampanaovana ity fanadinana ahazoana fotsiny ity TARATASY hoe MARI-PAHAIZANA CEPE ity. Raha nahay nitsinjo marina ny ho avin’ny ZANA-BAHOAKA SY NY FIRENENA ka nisaina lalindalina kokoa ny ministra tompon’andraikitra tamin’ny fampianarana ambaratonga VOALOHANY nifandimby teo amin’ny fitondrana SY NY GOVERNEMANTA rehetra nisy azy, dia efa HATRY NY ELA NO NOFOANANA ITY CEPE ITY. Vao mainka mitombona izany ankehitriny amin’ny TSI-FISIANA na TSI-FAHAMPIAN’ny INSTITUTEURS/INSTITUTRICES TSARA OFANA izay TENA ilaina dia ilain’ny FIRENENA LAVITRA noho ny manana « doctorat », « maîtrise », licences amin’ny taranjam-pianarana sasany eny amin’ny oniversité.

@ratiarivelo 8 août à 14:28
« ny cepe izany efa nilaozany toetr’andro***ka maninona ary no tsy haverina ihany koa : ny CESD ??? »
Mety azo hanatsoahan’ny mpitondra fanjakana lesona mahasoa eo amin’ny fanarenana sy fanavaozana ny fampianarana « FOTOTRA » ny « CESD » (certificat d’études du second degré) sy indrindra ny BREVET ÉLÉMENTAIRE nisy tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany ka natao indrindra ho an’ny Malagasy tompon-tany - ny indigènes TSY citoyen français izany -. Nizara roa moa ny fampianarana tamin’ny fanjakana tamin’izany dia ny « Écoles européennes » ho an’ny Vazaha (« Européens et Assimilés ») sy ny « Écoles officielles » ho an’ny « Indigènes ». Ny CEPE na « certificat d’études primaires élémentaires » dia natokana ho an’ny Vazaha tany ampiandohany .

Ny azo heverina amin’ny hoe « Fampianarana Fototra » dia ny hoe : Toa inona no FAHAIZANA AMAM-PAHALALANA tokony ary tsy maintsy hananana ny zaza malagasy REHETRA ANKEHITRINY rehefa, feno DIMY AMBIN’NY FOLO TAONA (15) ka nandia fianarana nandritra ny FOLO taona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS