Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 02h33
 

Répondre à un commentaire

13 juillet 2018 à 10:21 | arsonist (#10169)

Tsss ! Iza intsony no tsy mbola mahalala fa raha izay hoe
hanaraka lalàna ,
na hankatoa fitsipika ,
na hanaraka teny nieràna ,
na hitàna ny teny natao
na hahalala menatra
dia samy toetra tsy fahita amin’ireto Gasy mpanao politika ireto intsony eee !

Samy manao izay manavanana azy ireo te ho voafidy filoha manao fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana raikitra .

a) Fitokanana izay mba zavatra kely vita tamin’ny « vola sisa tavela » tamin’ireo azo avy tany amin’ireo mpampindrana sy mpanome vola any Ivelany no imasoan’ny filoha amperinasa .
Dia ampiasainy sy voriany daholo io fananam-panjakana rehetra io any amin’ny faritra rehetra teteziny mba hanatevin-daharana ny mpanotrona azy .

b) Fampandihizana fitombenanana kosa no isarihan’i peta-tsanga olon-tsotra ho tonga hiara-mitoto rebika aminy any amin’ny faritra lalovany . Dia revo tokoa ny foza fa tonga ny mpankafia dihy fitombenana.

c) Ny isan’ny maha lehiben’ny fiangonana protestanta azy indray kosa no fomba mangingina anavaon’ilay iraika lahy hafa ny fampielezany hevitra mialoha ny fotoana raikitra .
http://www.midi-madagasikara.mg/politique/2018/07/13/pre-campagne-ravalo-soigne-son-image-aupres-des-eglises/

Dia samy manao izay saim-pantany e !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS