Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 01h28
 

Répondre à un commentaire

11 juillet 2018 à 08:11 | lysnorine (#9752)

Misy moa tsy mitsahatra ny manesika foana ETO hoe : tsy nihoatra ny telo tapitrisa, hono, ny mponina teto Madagaikara tamin’ny fotoana nidiran’ny Frantsay ankeriny teto (1895) hanandevo ny Malagasy sy hangalatra ny taniny ary handroba ny haren’i Madagasikara.

Hanafenana ny FANDRINGANAM-BAHOAKA TAMBABE na « GÉNOCIDE » notontosain’i Galliéni sy ny mpanjanan-tany Frantsay teto nandritra ny taona maro no kendrena amin’izany tarehi-marika manamaivana ny isan’ny mponina teto Madagasikara tamin’ny 1895 izany. [zahao etsy aloha : Vatomena, 10 juillet à 13:48, « En 1895, lors de la conquète de Madagascar, la population malgache ne dépassait pas 3 millions d’habitants » .

Koa hampahatsiahivinay kely indray ny fanarenana ny tantara sy ny fanazavana efa nataonay teto ihany momba izany FIHENAN’ny isan’ny Malagasy izany taorian’ny nidiran’ny Frantsay teto mba tsy hahavoafitaka ny sarambaben’ny tompon-tany Malagasy mpamaky, izay mety ho tsy nandalina firy ny tantaran’ny Tanindrazany .

Zahao :
lysnorine, 28 novembre 2016 à 11:01, ao amin’ny « Iles éparses-Interpellation de Hery Rajaonarimampianina », samedi 26 novembre 2016, https://www.madagascar-tribune.com/Interpellation-de-Hery,22699.html ;
na koa :
lysnorine, 2 décembre 2016 à 11:52 ao amin’ny « Francophonie : plus ou moins un succès. Mais ça dépend pour qui. », lundi 28 novembre 2016 , https://www.madagascar-tribune.com/Francophonie-succes-oui-Mais,22701.html#comment327310.

« [...] Vantany vao nahazo laka ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara dia ny handrava sy hanapotika izay fandrosoana rehetra tamin’ny sivilizasiôna vazaha tratran’i Madagasikara sy ny Malagasy - poatoizay ! - hatramin’ny faha-Radama 1 ka nandritra ny taon-jato faha-19 no tena nisasarany omban’ny FANANDEVOZANA tamin’ny alàlan’ny « INDIGÉNAT », ny asa an-terivozona isan-karazany, ary ny tery vay manta nataon’ny SMOTIG (Service de la Main d’Œuvre pour les Travaux d’Intérêt Général) [...]

« Manodidina ny 4,500,000-5,000,000 no isan’ny mponina hatramin’ny fanisam-bahoaka voalohany tamin’ny andron-dRadama 1 ka hatramin’ny 1881 nisiana fanisam-bahoaka nataon’ny fokokon’olona. (P. Boiteau, Contribution à l’histoire de la nation malgache, Éditions Sociales 1958 : Bilan de soixante années de colonisation p.306). Io tarehi-maika manodidina ny 4,000,000 sy 5,000,000 io ihany koa no voalazan’ny mpanoratra maro tamin’ny zato taona faha-19 toy : Samuel Copland (1822) , Rev. Ellis (1838), Rev. Freeman, David Johns (1840) ; Julius Kessler(1872). Mbola dimy tapitrisy (5,000,000) ihany koa no voalazan’ny Annuaire de Madagascar frantsay tamin’ny 1890. Ary tsy latsaky ny dimy na ENINA TAPITRISA (6,000,000) no nambaran’ny MINISTRY NY RAHARAHAM-BAHINY FRANTSAY HANOTEAUX ho isan’ny mponina teto Madagasikara tamin’ny 1894, talohan’ny nanafihan’i Frantsa farany azy. (Chambre des Députés, séance du 23 novembre 1894, JO p. 1979).

« Araky ny fanisam-bahoaka nataon’ny fanjakana kôlônialy tamin’ny 1902 anefa, dia 2,550,000 sisa ny mponina, izany hoe : NIHENA 2,450,000 (na 49%) hatramin’ny nidiran’ny Frantsay teto Madagasikara, raha ekena fa 5,000,000 izy talohan’ny ady farany tamin’ny frantsay (1895). Izany hoe VERY SASAKA latsaka kely izany (fara-faha-ratsiny) ! Manamafy izany maha-fongana ny Malagasy izany ny vokatry ny fanisam-bahoaka taty aoriana izay mampiseho ny TSY FITOMBOANY ISA firy nandritra ny... 24 taona teo anelanelan’ny taona 1912 sy 1936 :
1912 : 3,710,806 ;
1936 : 3,777,951.
Izany hoe raha alaina an-keviny dia...0.0747% isan-taona no fitombony, izany hoe NIHENA izy izany nandritra ny taona maro. Tamin’ny taona 1960- izany hoe 65 taona taorian’ny nanafihan’ny tafika frantsay an’i Madagasikara (1895) ka nahalasa azy zanatany frantsay (1896) - vao tafaverina ho dimy tapitrisa indray ny mponin’i Madagasikara araka ny tarehi-marika avy amin’ny Banky Mondialy. (1960 : 5,099,370 -http://data.worldbank.org/indicator/SP.POP.TOTL).

« Heverinay fa miteny ho azy ireo tarehi-marika ireo ny amin’ny vokatry ny fanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara, ary tsy misy izay mandanja azy ireo amin’ny mizana tsy mandainga ka afaka handà ny nisian’izany fandringanam-bahoaka tambabe izany [..] ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS