Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 20h17
 

Répondre à un commentaire

10 juillet 2018 à 08:44 | lysnorine (#9752)

@ RAMBO 9 juillet à 15:09 répond à rakotobe ^
Hoy ny anatry ny Ntaolo : « Aleo manontanitany foana hihomehezana, toy izay manaonao foana hitezerana »

Na dia mahay teny frantsay ihany aza izahay, misy teny visivitsy ireto manaraka ireto izay tsy takatray loatra ny tena hevitra raketiny ka tian’ny mpampiasa azy hampitaina amin’ny mpamaky.

Sahirana toy izahay koa angamba ny Malagasy an-tapitrisany maro izay tsy mahay teny frantsay. Koa mety hahasoa ny be sy ny maro ihany raha mba misy fanazavana azy ireo tsotsotra amin’ny fiteny mahavantana ny sarambaben’ny Malagasy :

« stratégie de croissance (?) »
« optimiser (?) les relais (?) de croissance »
« nouvelle trajectoire (?) de développement (?) »
« se rapprocher du statut des pays à revenus intermédiaires (?) »
« devenir une véritable nation émergente (?) »
« LES 7 MOTEURS (?) DE L’ECONOMIE »
« refonder la nation autour d’un nouveau pacte social (?) »
« repositionnement (?) à l’international »
« industrie légère à forte intensité de main d’œuvre » (Ohatra ?)

Farany, ny fivavahana amin’ilay foto-pinoana hoe :
« Des pôles économiques et urbains compétitifs verront le jour, grâce à des investissements accrus, notamment dans le cadre de PARTENARIATS PUBLIC-PRIVÉS ...

« le renforcement du DIALOGUE PUBLIC-PRIVÉ DEVRA permettre à Madagascar de rester dans le top 10 des MEILLEURS RÉFORMATEURS africains. » [9 juillet à 15:14, RAMBO (#7290) répond à rakotobe]

dia miantoka mialoha - araka ny hevitray - fa HANDAMOKA DAHOLO ny tetika avo lenta fitanisa ao anatin’ny « katalaogy » fanjonon’ny mpilalao pôlitika ny mpifidy marivo salosina, ary tsy hisalasala ny hifanamby amin’izany dieny izao izahay, izany hoe : hitana mandrakariva ny laharany amin’ny firenena mahantra indrindra eran-tany, tsy mety mandroso, fa vao mainka aza hihemotra izaitsizy, i Madagasikara sy ny Vahoaka Malagasy, mandritra ny dimy na folo taona ho avy. Efa nahazatra hatramin’ny ela ihany moa izany fa tsy zava-baovao tsy akory, ary fantatry ny mpanararaotra izany tsara fa mahari-pery ny Malagasy no mora ambakaina noho ny finonoam-poany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS