Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 07h54
 

Répondre à un commentaire

4 juillet 2018 à 09:59 | arsonist (#10169)

[Ity lahatsoratra ity dia noezahana natao mba ho sarotra amin’ny aterineto ny fandikàna azy .]

Inona moa ny mahatonga ity mena sofina ity sy ity taikiringy ity
iharitra ny maimbo eto amin’ito serasera ito eto ,
kanefa lazain-dry lerony fa mbola ambany noho ny gidro aza ny pokona ?

Ny ahatonga filoha ny olona iray izay hiambina ny tombon-tsoan’ny mpanakarama an-dry lerony no iharetan-dry lerony ny maimbo eto .

Tsy fifanindrian-javatra fotsiny akory ireny fikaonan-doha izay hita taratra indraindray amin’ny lahatsoratra ataon’ny foza mpomba an’i lapinou sy ny mena sofina sy taikiringy eto ireny ,
izay mbola miampy ny antso vonjy ifanaovan’ny andaniny sy ny ankilany rehefa mahery vaika ny hevitra atefaka any amin-dry zareo.

Inona ohatra ny remby kendren-dry lerony aty amin’ity faritra misy antsika ity ?
Ny harena voalaza fa be dia any amin’ny nosy kely manodidina , ohatra .
Ilay taikiringy dia efa nivaky tsy sazoka izany teto vao haingana teo .
Ilay mena sofina indray dia tsy nilaza mivatana ilay izy , fa somary ankolaka ny nanambaràny azy teto .

Aleo aloha hazava tsara , mba tsy isian’ny fifangaroan-javatra ,
fa tsy azo antoka mihitsy akory fa hoe mpanatanteraka toro-marika avy any amin’ny manam-pahefana any amin-dry zareo any ivelany any ireto mena sofina sy taikiringy ireto .

Mety ho fikambanana mpiremby harena iraisam-pirenena no mpanakarama azy ireto .
Diniho fotsiny amin’ny fo tony sy saina mahiratra fa fikorontànana mahery vaika amin’ny pokona sy ny tsotsoka no vokatra voalohany indrindra aterakin’ny fanambaniana ny pokona ataon-dry lerony eto.

Tsy sanatria fa hoe olona tsy mandinika akory ny manam-pahefana any ivelany any amin’izao fotoana izao ,
ka hoe hifaly amin’ny fifankahalàna aterakin’ny fihetsika mamohehatra ataon’ireto mena sofina sy taikiringy eto ireto .

Jereo fotsiny ihany koa , ohatra , fa milaza ho mivady amina Gasy ilay mena sofina eto ity , kanefa mimenomenona i lery rehefa teny gasy no anoratana eto .
Gasy tsy mahay miteny ny teniny ary ve izany vadin’i lery izany ?
Sa lainga foronin’i lery fotsiny izany mba hanamarinan’i lery ny fitsofohany eto ?

Jereo ihany koa fa milaza ilay taikiringy fa nonina tao andrenivohitra hono i lery taloha . Kanefa rehefa milaza zavatra momba ny mponina ao andrenivohitra lery dia hevitra notsoahina avy tangazety no averin’ilery eto
fa tsy misy zavatra hafa mba hoe voamarik’i lery na dia pitiny aza .

Averiko indray mandeha fa tokony handinika tsara amin’ny fo tony sy saina mahiratra ny pokona ,
fa tsy avy hatrany dia ho entim-po fotsiny .

Olona mpanakorontana sy mpampiady ny pokona amin’ny tsotsoka fotsiny
ireto mena sofina sy taikiringy tonga mamahatra eto ireto .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS