Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Répondre à un commentaire

5 juillet 2018 à 13:08 | lysnorine (#9752)

@olive 4 juillet à 14:41 répond à tsirah ^

« la plupart de ces étudiants abandonnent en plein cursus par manque de moyen »
« Je connais beaucoup d’étudiants qui SURVIVENT GRÂCE À CES BOURSES et ces équipements.. »
« Ces allocations et ces bourses ne sont pas des enfantillages pour certains de ces étudiants, ils sont vitales »

Ny vatsim-pianarana avy amin’ny VOLAM-BAHOAKA, na aiza na aiza, na oviana na oviana dia natao ho an’ny zana-bahoaka

1) Efa VOASEDRA fa MAHAY ka tokony hahatanteraka soa-amantsara ny FIANARANA [AMBONY eny amin’ny Oniversité no dinihina eto] izay heverin’ny FANJAKANA fa TENA ILAIN’NY FIRENENA amin’ny ho avy, fa tsy izao fianarana rehetra izao tsy akory ;

kanefa

2) TSY AMPY FIVELOMANA ny ray aman-dreniny ka afa-kianto-bola azy mandra-pahavitany io fianarany io

Momba ny (1) ) dia tsaroana fa nisy fanadinana taloha-« EXAMEN DE BOURSE » natao HIFANTENANA izay mangataka ka omena vatsim-pianarana, izay VOAFETRA DIA VOAFETRA rahateo ny azo ataon’ny Fanjakana fadiranovana ohatran’ny Fanjakana Malagasy.

Ary dia averina dinihina ISAN-TAONA raha mbola tokony hotohizana ihany ny fanomezana vatsim-pianarana izay efa nahazo azy ARAKARAKA ny VOKA-PANADINANY.

Antitranterina tsara koa fa : NA AIZA NA AIZA - ary na oviana na oviana na rahoviana na rahoviana !- any amin’ny firenena rehetra FARAN’IZAY MANAN-KARENA sy mandroso, dia TSY MISY IZANY fanomezana vatsim-pianarana ny DAHOLOBE izany, hianatra any amin’ny oniversité. MISAMBO-BOLA any amin’ny Banky ny mpianatra te-hanohy fianarana ambony ka manonitra azy izy amin’izay karama raisiny raha vao vita fianarana. Midika izany fa TOKONY HAHITANY ASA izay FIANARANA NAMPISAMBORINA azy vola. Fanampiana azy amin’ny zana-bola haloany no mety hataon’ny fanjakana. Tsy misy izany hoe OMENA KARAMA HIANATRA NA INONA NA INONA eny amin’ny ONIVERSITÉ ny zatovo REHETRA TSY MISY AVAKAVAKA ka ta-hanohy fianarana eny.

Teto amintsika kosa noho ny resaka pôlitika - fanatambatambazana ny mpianatra sy ny mpampianatra teny amin’ny Oniversité mba hisorohana ny « firotahany », taorian’ny Mey 1972, ary noho ny tsi-fahamatoran’Ingahy Ratsiraka eo amin’izany hoe fitondram-panjakana izany, indrindra teo amin’ny fitantanana ny Volam-panjakana sy ny Ekônômia, dia izany no natao, ka lasa antom-piveloman’ny zatovo toy ny karama isam-bola ny vatsim-pianarana. Koa dia mba takin’izy ireo mandrakariva ny fanondrotana azy tahaka ny fanaon’ny mpikarama isam-bolana mitokona mangataka fisondrotan-karama [raha azony atao akory aza any amin’ny orinasa vahiny tonga mihaza tombom-barotra sy tombon-karena eto Madagasikara].

Raha mpitondra fanjakana matotra sy tena mahay mitsinjo ny ho avin’ny firenena dia tsy tokony hisalasala mihitsy MANAFOANA IO FANOMEZANA VATSIM-PIANARANA NY DAHOLOBE MIANATRA ENY AMIN’NY ONIVERSITÉ IO, sy mamerina ny FANADINANA fanasivanana ny VITSY mendri-komena vatsim-pianarana. Mazava ho azy fa mifanindran-dalana amin’izany ny fananan’ny Fanjakana PLANINA - hotanterahany mandritra ny FOLO taona ho avy - mandahatra tsara araka ny HAMEHANY ny FAHAIZANA amam-PAHALALANA TENA ILAIN’ izy sy ny Firenena, HAMPANDROSO ny toe-karena sy ny fari-piainan’ny sarambabem-bahoaka mitrongo vao homana. Arak’izany dia misy fampianarana eny amin’ny oniversité ilaina FOANANA avy hatrany fa tsy misy ilana azy amin’izao ambaratongam-pandrosoana (na -pahantrana !) misy ny tokantranom-pirenena malagasy izao, kanefa andaniam-bola be.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS